Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Fanisana

Fanisana toko 29
Fandaharana ny sorona hatao amin'ny fetin'ny Trompetra sy ny Fanonerana ary ny Tabernakla.

       1Amin'ny volana fahafito, amin'ny andro voalohan'ny volana, dia hisy fivoriana masina ho anareo; tsy hanao asa fanaon'ny mpiasa na inona na inona hianareo. Andron'ny feo mikarantsana ho anareo izany. 2Ary izao no sorona dorana haterinareo, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo: vantotr'ombalahy iray, ary zanak'ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema; 3ary ny fanatitra momba azy dia lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo: telo ampahafolony amin'ny vantotr'ombalahy, 4roa ampahafolony amin'ny ondrilahy, ary iray ampahafolony amin'ny zanak'ondry fito tsirairay avy. 5Osilahy iray no sorona noho ny ota, hanaovana ny fanonerana ho anareo. 6Hataonareo izany ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana isam-bolana, mbamin'ny fanatitra momba azy, ny sorona tsy tapaka, mbamin'ny fanatitra momba azy, ary ny fanatitra araraka momba azy araka ny fitsipika voadidy. Sorona atao amin'ny afo izany, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo.
       7Amin'ny andro fahafolon'io volana io ihany, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ary hampahory ny fanahinareo hianareo; tsy hanao asa na inona na inona hianareo. 8Ho sorona dorana ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo, dia manatera vantotr'ombalahy iray, ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema, 9ary ny hatao fanatitra momba azy dia lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo, telo ampahafolony amin'ny ombalahy, roa ampahafolony amin'ny ondralahy, 10iray ampahafolony amin'ny zanak'ondry fito tsirairay avy. 11Ary osilahy iray ho sorona noho ny ota; fa tsy hajanona anefa ny sorom-panonerana sy ny sorona dorana tsy tapaka sy ny fanatitra momba azy, mbamin'ny fanatitra araraka momba azy.
       12Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa fanaon'ny mpiasa na inona na inona hianareo. Hanao fety fankalazana an'ny Tompo mandritra ny hafitoana hianareo, 13hanatitra sorona dorana, sorona atao amin'ny afo ho hanitra mahafinaritra ho an'ny Tompo, dia vantotr'ombalahy telo ambin'ny folo, ondralahy roa, zanak'ondry efatra ambin'ny folo, efa iray taona, tsy misy kilema; 14ary ny hatao fanatitra momba azy dia lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo, telo ampahafolony amin'ny ombalahy telo ambin'ny folo tsirairay avy, roa ampahafolony amin'ny ondralahy roa tsirairay avy, 15ary iray ampahafolony amin'ny zanak'ondry efatra ambin'ny folo tsirairay avy. 16Osilahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.
       17Amin'ny andro faharoa, manatera vantotr'ombalahy roa ambin'ny folo, ondralahy roa, zanak'ondry efatra ambin'ny folo, efa iray taona, tsy misy kilema, 18miaraka amin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, manaraka ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak'ondry samy araka ny isany avy, araka ny fitsipika. 19Osilahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.
       20Amin'ny andro fahatelo manatera ombalahy iraik'ambin'ny folo, ondralahy roa, zanak'ondry efatra ambin'ny folo, efa iray taona, tsy misy kilema, 21mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin'ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak'ondry araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika. 22Osilahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.
       23Amin'ny andro fahefatra, manatera ombalahy folo, ondralahy roa, zanak'ondry efatra ambin'ny folo, efa iray taona, tsy misy kilema, 24mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin'ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak'ondry araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika. 25Osilahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.
       26Amin'ny andro fahadimy, manatera vantotr'ombalahy sivy, ondralahy roa, zanak'ondry efatra ambin'ny folo, efa iray taona, tsy misy kilema, 27mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin'ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika. 28Osilahy iray no ho sorona noho ny ota, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.
       29Amin'ny andro fahenina, manatera vantotr'ombalahy valo, ondrahaly roa, zanak'ondry efatra ambin'ny folo, efa iray taona, tsy misy kilema, 30mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin'ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika. 31Osilahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.
       32Amin'ny andro fahafito manatera ombalahy fito, ondralahy roa, zanak'ondry efatra ambin'ny folo, efa iray taona, tsy misy kilema, 33mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin'ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak'ondry araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika. 34Osilahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka, mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.
       35Amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana lehibe ho anareo, tsy hanao asa fanaon'ny mpiasa na inona na inona hianareo. 36Hanatitra sorona dorana anankiray hianareo, sorona anankiray atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo, dia ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema, 37mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin'ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak'ondry, manaraka ny fitsipika. 38Osilahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka, mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.
       39Ireo avy no sorona haterinareo ho an'ny Tompo amin'ny fetinareo, afa-tsy ny voadinareo sy ny fanoloranareo an-tsitra-po: ny sorona doranareo, ny fanatitrareo sy ny fanatitrareo araraka ary ny fanati-pihavananareo. >