Ny Fanisana
Fanisana toko 3
Fanisana ny Levita sy ny lahimatoa - Ny Levita no nasolo ny lahimatoa.
1Izao no taranak'i Aarona sy Moizy, tamin'ny andro nitenenan'ny Tompo tamin'i Moizy, teny an-tendrombohitra Sinaia. 2Ny anaran'ny zanakalahin'i Aarona dia izao: Nadaba, lahimatoa, Abiò, Eleazara, ary Itamara. 3Ireo no anaran'ny zanakalahin'i Aarona, dia ireo mpisorona nandray ny fanosorana, voatokana hanao ny fisoronana. 4Nadaba sy Abiò dia maty teo anatrehan'ny Tompo tamin'izy nanatitra afo hafa teo anatrehan'ny Tompo tany an'efitra Sinaia: tsy nanan-janaka izy ireo. 5Ary Elezara sy Itamara nanao ny fisoronana teo anatrehan'i Aarona rainy.
6Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Ampanatony ny fokon'i Levì, ka apetraho eo anatrehan'i Aarona mpisorona mba hanao ny raharahany. 7Izy ireo no hiadidy ny zavatra rehetra iandraiketan'i Aarona, sy iandraiketan'ny Fiangonana rehetra, eo anoloan'ny trano lay fihaonana; ka hanatanteraka ny fanompoana momba ny Fonenana. 8Izy ireo no hiadidy ny fanaka rehetra ao amin'ny trano lay fihaonana, sy izay rehetra tsy maintsy hiandraiketan'ny zanak'Israely; izany no hanantanterahany ny fanompoana momba ny Fonenana. 9Hatolotrao ny Levita ho an'i Aarona sy ny zanakalahiny: dia ho voatolotra mihitsy ho azy izy ireo eo amin'ny zanak'Israely. 10Ary Aarona sy ny zanany lahy dia hotendrenao hanao ny raharahany momba ny fisoronana. Fa raha olon-kafa no manatona ny fitoerana masina, dia hohelohin-ko faty.
11Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: 12Indro efa nalaiko ho ahy eo afovoan'ny zanak'Israely, ny Levita, ho solon'ny lahimatoa izay voalohan-teraky ny reniny ao amin'ny zanak'Israely, ka dia ahy ny Levita; 13satria ahy ny lahimatoa rehetra. Tamin'ilay andro namelezako ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Ejipta no nanokanako ho ahy ny voalohan-teraka rehetra amin'Israely, na olona na biby fiompy; ka dia ahy ireo, fa izaho no Iaveh.
14Tany an'efitra Sinaia, dia niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: 15Alao isa, araka ny fokom-pianakaviany, araka ny fianakaviany avy, ny taranak'i Levì, ka ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra no isao. 16Dia nataon'i Moizy ny fanisana azy ireo, noho ny tenin'ny Tompo, araka ny nandidiany azy.
17Izao no zanakalahin'i Levì, araka ny anarany avy: Gersona, Kaata ary Merary. 18Izao no anaran'ny zanakalahin'i Gersona, araka ny fianakaviany: Lebny sy Semeì. 19Ny zanak'i Kaata araka ny fianakaviany dia Amrama, Jezaara, Hebrona ary Oziela. 20Ny zanak'i Merary, araka ny fianakaviany, dia Moholy sy Mozì. Ireo no fokon'i Levì araka ny fokom-pianakaviany avy.
21Ny fokon'i Lebny sy ny fokon'i Semeì dia avy amin'i Gersona ka atao hoe fokon'ny Gersonita. 22Ny voaisa tamin'izy ireo, tamin'ny nanisana ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, ny voaisa dia diman-jato amby fito arivo. 23Eo ivohon'ny Fonenana, amin'ny lafiny andrefana, no nitobian'ny Gersonita. 24Ny filohan'ny fianakavian'ny Gersonita dia Eliazafa zanak'i Laela. 25Ny amin'ny trano lay fihaonana dia izao no niadidian'ny zanak'i Gersona: ny Fonenana sy ny trano lay, ny rakony, ny varavarana lamba izay ao amin'ny fidiran'ny trano lay fihaonana; 26ny fefy lamban'ny kianja, sy ny vavahady lamba amin'ny kianja izay manodidina ny Fonenana sy ny otely, ary ny kofehy rehetra ilaina aminy. 27Ny avy amin'i Kaata dia ny fokon'ny Amramita, ny fokon'i Jesaarita, ny fokon'ny Hebronita, ary ny fokon'ny Azielita: ireo no fokon'ny Kaatita. 28Tamin'ny nanisana ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra dia enin-jato amby valo arivo no isany, izay miandraikitra ny fiambenana ny fitoerana masina. 29Eo amin'ny lafiny atsimo amin'ny Fonenana no nitobian'ny fokon'ny zanakalahin'i Kaata. 30Ny filohan'ny foko ihavian'ireo fianakavian'ny Kaatita, dia Elifasana zanak'i Oziela. 31Ary ny anjara raharahany dia fiambenana ny fiara, ny latabatra, ny fanaovan-jiro, ny otely, ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoana, ny varavarana lamba mbamin'ny fanaovan-draharaha rehetra momba azy. 32Eleazara zanak'i Aarona mpisorona, no lehiben'ny filohan'ny Levita, ka izy no mpitandrina an'ireo miandraikitra ny fiambenana ny fitoerana masina.
33Ny fokon'ny Moholita sy ny fokon'ny Mosita dia avy amin'i Merary, ka ireo no fokon'ny Merarita. 34Roan-jato amby enina arivo no isan'izy ireo, tamin'ny nanisana ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra. 35Ny filohan'ny foko ihavian'ny fianakavian'i Merary, dia Soriela zanak'i Abihaiela. Eo amin'ny lafiny avaratra amin'ny Fonenana no nitobian'izy ireo. 36Napetraka tamin'ny zanakalahin'i Merary ny fitandremana amam-pikarakarana ny hazo fisaka amin'ny Fonenana, ny barany, ny andriny mbamin'ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, mbamin'ny zavatra rehetra ilaina aminy, 37ny andry manodidina amin'ny kianja, ny faladiany, ny tsimany, ary ny kofehiny.
38Moizy sy Aarona mbamin'ny zanany no nitoby eo anoloan'ny Fonenana, eo atsinanana, eo anatrehan'ny trano lay fihaonana, amin'ny lafiny iposahan'ny masoandro; izy ireo no niadidy ny fiambenana ny fitoerana masina, araka izay tokony hotandreman'ny zanak'Israely rehetra; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia tsy maintsy hohelohin-ko faty.
39Roa arivo sy roa alina no tontalin'ny Levita voaisa tamin'ny fanisana nataon'i Moizy, araka ny nandidian'ny Tompo azy, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, araka ny fianakaviany azy.
40Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Alao isa ny lahimatoa rehetra amin'ny zanak'Israely, hatramin'ny iray volana no ho miakatra, ka isao ny anarany. 41Dia ny Levita no halainao ho ahy, fa izaho no Iaveh, dia ho solon'ny lahimatoan'ny zanak'Israely rehetra izy; ary ny biby fiompin'ny Levita, ho solon'ny volaohan-teraka rehetra amin'ny biby fiompin'ny zanak'Israely.
42Dia nisain'i Moizy araka ny nandidian'ny Tompo azy, ny lahimatoa rehetra tamin'ny zanak'Israely, 43ka nisy telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina ny lahimatoa rehetra voaisa, hatramin'ny iray volana no ho miakatra, nisaina araka ny anarany avy.
44Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: 45Alao ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra amin'ny zanak'Israely; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny biby fiompiny koa, ka dia ho ahy ny Levita; izaho no Iaveh. 46Ny amin'ny avotr'ireo lahimatoa telo amby fitopolo sy roan-jato amin'ny zanak'Israely, izay mihoatra isa noho ny Levita, 47dia sikla dimy isan'olona no horaisinao aminy, ka araka ny sikla masina, izay gera roapolo avy, no handraisanao azy; 48ary homenao an'i Aarona sy ny zanany ny vola, ho avotr'ireo mihoatra ny isan'ny Levita. 49Dia noraisin'i Moizy ny vola avotr'ireo nihoatra isa ka navotan'ny Levita; 50ka sikla dimy amby enimpolo sy telon-jato sy arivo, araka ny sikla masina, no vola noraisiny tamin'ny lahimatoan'ny zanak'Israely. 51Nomen'i Moizy an'i Aarona sy ny zanany izany vola avy amin'ny fanavotana izany, araka ny tenin'ny Tompo, dia araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. >