Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Fanisana

Fanisana toko 30
Lalàna momba ny voady.

       1Niteny tamin'ny zanak'Israely Moizy araka izay rehetra nandidian'ny Tompo azy.
       2Niteny tamin'ny lohan'ny fokon'Israely Moizy nanao hoe: 3Izao no didian'ny Tompo: Raha misy lehilahy mivoady amin'ny Tompo, na manao fianianana hamehezany ny tenany, dia tsy mahazo mitsoa-tany izy: izay rehetra naloaky ny vavany hataony avokoa.
       4Raha misy vehivavy mbola zaza an-trano ao amin-drainy mivoady amin'ny Tompo sy manao famehezan-tena, 5ary ren-drainy ny voady amam-pamehezan-tena nataony, nefa tsy niteniteny taminy ny rainy, dia ho raikitra ny voady rehetra nataony sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany. 6Fa raha mandà izany rainy amin'ny andro andrenesany an'izany, dia foana avokoa ny voady rehetra sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany, ary Iaveh hamela azy, satria nandà izany rainy.
       7Ary raha hampakarina izy ka efa voasingotry ny voadiny na ny teny tsy voahevitra naloaky ny vavany izay namehezany ny tenany; 8ary ren'ny lahy izany, nefa tsy miteniteny aminy momba izany izy, amin'ny andro andrenesany an'izany sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany, dia manan-kery ny voadiny.
       9Fa raha lavin'ny lahy kosa ny nataon-dravehivavy amin'ny andro nandrenesany an'izany, dia foanany ny voady maningotra azy sy ny teny tsy voahevitra naloaky ny vavany namehezany ny tenany, dia raikitra ho azy.
       10Ny voady nataon'ny vehivavy maty vady na voasaotra, izay famehezan-tena rehetra namehezany ny tenany, dia raikitra ho azy.
       11Raha ao an-tranon'ny lahy no nivoady ny vehivavy na nanao famehezan-tena tamim-pianianana namehezany ny tenany, 12ary raha avy izay handrenesan'ny lahy izany, ka tsy miteniteny aminy izy, ary tsy laviny ny nataony, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany. 13Fa raha foanan'ny lahy kosa izany amin'ny andro andrenesany azy, dia foana izay rehetra naloaky ny vavany, na voady na famehezan-tena, nofoanan'ny vadiny izany, ary Iaveh hamela azy. 14Ny voady amam-pianianana rehetra amehezany tena hampahory ny fanahiny, dia azon'ny lahy araikitra, ary azon'ny lahy foanana. 15Rahefa tsy niteniteny taminy androtriny sy ny manaraka iny izy, dia mandraikitra ny voady rehetra sy ny famehezan-tena rehetra mahazo azy: ny tsy nitenitenenany taminy tamin'ny andro nandrenesany an'izany no nandraiketany azy. 16Raha aty aorian'ny andro nandrenesany izany izy vao manafoana azy, dia izy no hitondra ny heloky ny vavy.
       17Izany no lalàna nandidian'ny Tompo an'i Moizy ny amin'ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin'ny ray sy ny zanany vavy, raha mbola zaza an-trano ao amin-drainy izy. >