Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Fanisana

Fanisana toko 32
Fizarana ny tany eo an-dafy atsinanan'i Jordany.

       1Ny zana-dRobena sy ny zanak'i Gada dia nanana biby fiompy be tokoa; ka nony hitany fa tany tsara ho fiandrasana biby fiompy ny tany ao Jazera sy ny tany ao Galaada, 2dia nanatona an'i Moizy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana ny zana-dRobena sy ny zanak'i Gada ka nanao taminy hoe: 3Atarota, Dibona, Jazera, Nemrà, Hesebona, Eleale, Sabàna, Nebao ary Beona, 4izay tany nofaizin'ny Tompo teo anoloan'ny fiangonan'Israely dia tany tsara ho fiandrasana biby fiompy; ary ny mpanomponao be biby fiompy; 5ka hoy izy nanampy teny hoe: Raha nahita fitia teo imasonao izahay, dia aoka io tany io no homena ho zarataninay mpanomponao, fa aza dia ampitaina an'i Jordany izahay.
       6Fa izao no navalin'i Moizy ny zanak'i Gada sy ny zana-dRobena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka hianareo kosa ve hijanona eto? 7Nahoana hianareo no mampiketraka ny zanak'Israely tsy hankany amin'ny tany omen'ny Tompo azy? 8Mova tsy izao koa no nataon'ny rainareo, fony aho naniraka azy avy tany Kades-Barne hisafo ny tany. 9Niakatra hatrany an-dohasahan'i Eskola izy ary nahita ny tany, dia nampiketraka ny zanak'Israely tsy hiditra any amin'ny tany omen'ny Tompo azy. 10Ary nirehitra ny fahatezeran'ny Tompo tamin'izay andro izay, ka nianiana izy nanao hoe: 11Tsy hisy hahita ny tany efa nianianako tamin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba homena azy, ireo olona niakatra avy tany Ejipta, hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, satria tsy nanaraka ahy tsara izy ireo, 12afa-tsy Kaleba zanak'i Jefone, Kenezeana, sy Josoe, zanak'i Nòna, izay nanaraka tsara an'ny Tompo. 13Nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'ny Tompo ka nataony nirenireny tany an'efitra izy ireo mandritra ny efapolo taona mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason'ny Tompo. 14Ary indreo hianareo mitsangana hisolo ny rainareo, toy ny taranaky ny mpanota, ka hampitombo indray ny firehetan'ny hatezeran'ny Tompo amin'Israely. 15Fa raha mandà tsy hanaraka azy hianareo, dia mbola avelany aty an'efitra Israely, ka dia hianareo no ho fototry ny fandringanana izao vahoaka rehetra izao.
       16Dia nanakaiky an'i Moizy izy ireo, ka nanao hoe: Hanao vala ho an'ny biby fiompinay eto izahay, sy tanàna ho an'ny zanakay madinika, 17fa ny tenanay kosa dia hivonon-kiady faingana handroso eo alohan'ny zanak'Israely, mandra-pampiditray azy any amin'ny tany izay tsy maintsy hitoerany; fa ny zanakay no hitoetra amin'ny tanàna mimanda, noho ny amin'ny mponina amin'ny tany. 18Tsy hody amin'ny tranonay izahay, raha tsy efa samy nahazo ny lovany avy ny zanak'Israely. 19Fa tsy hiara-mandray zara-tany aminy any an-dafin'i Jordany izahay, na any ankohatr'izany, fa efa azonay aty an-dafin'i Jordany aty atsinanana ny anjara lovanay. 20Dia hoy Moizy tamin'izy ireo: Raha izany àry no ataonareo ka hioman-kiady eo anatrehan'ny Tompo hianareo, 21raha ny lehilahy rehetra mitam-piadiana ao aminareo no hita an'i Jordany eo anatrehan'ny Tompo, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anatrehany, 22ka tsy hiverina raha tsy efa resy eo anatrehan'ny Tompo ny tany, dia afa-tsiny eo anatrehan'ny Tompo sy eo anatrehan'Israely hianareo, ary ho fanananareo eo anatrehan'ny Tompo ity faritany ity. 23Fa raha tsy manao izany kosa hianareo, dia indro manota amin'ny Tompo hianareo, ka fantaro fa hanody anareo ny fahotanareo. 24Aoreno àry ny tanàna ho an'ny zanakareo sy ny vala ho an'ny biby fiompinareo dia tanteraho koa ny teny naloaky ny vavanareo.
       25Niteny tamin'i Moizy ny zanak'i Gada sy ny zana-dRobena nanao hoe: Izay nodidian'ny tompoko, dia hataon'ny mpanomponao. 26Ny zanakay, ny vadinay, ny biby fiompinay sy ny biby manompo rehetra anananay, dia hitoetra eto amin'ny tanànan'i Galaada; 27fa ny mpanomponao kosa rahefa mety ho lehilahy voaoman-kiady, dia handeha eo alohan'ny Tompo mba hiantafika araka ny tenin'ny tompoko.
       28Dia nomen'i Moizy didy ny amin'ireo, Eleazara mpisorona sy Josoe zanak'i Nòna ary ny filoham-pianakaviana amin'ny fokon'ny zanak'Israely. 29Hoy izy taminy: Raha mita an'i Jordany miaraka aminareo ny zanak'i Gada sy ny zana-dRobema, dia ny lehilahy rehetra voaoman-kiady eo anatrehan'ny Tompo, ka resy eo anatrehanareo ny tany, dia omeo ho fananany ny tany azo ao amin'i Galaada. 30Fa raha tsy mandeha mitam-piadiana miaraka aminareo kosa izy, dia hitoetra eo afovoanareo any amin'ny tany Kanaana ihany. 31Dia namaly ny zanak'i Gada sy ny zana-dRobena nanao hoe: Hataonay izay nolazain'ny Tompo tamin'ny mpanomponao. 32Handeha mitam-piadiana izahay ho any amin'ny tany Kanaana eo anatrehan'ny Tompo, ary ho raikitra aty andafin'i Jordany ny anjara fananana ho lovanay.
       33Dia nomen'i Moizy ny zanak'i Gada sy ny zana-dRobena ary ny antsasaky ny fokon'i Manase, zanak'i Josefa, ny fanjakan'i Sehona, mpanjakan'ny Amoreana, sy ny fanjakan'i Oga, mpanjakan'i Basàna, dia ny tany mbamin'ny tanànany sy ny faritany momba azy, ary ny tanàna eny amin'ny tany manodidina.
       34Ny zanak'i Gada nanorina an'i Dibona, Atarota, Aroera, 35Atarota-Sofàna, Jezera, Jegbàa, 36Betnemrà ary Betaràna, tanàna mimanda, ary nanao vala ho an'ny biby fiompy.
       37Ny zana-dRobena nanorina an'i Hesebona, Eleale, Kaariataïma, 38Nabao ary Baalmeona izay samy novany anarana ary Sabamà, ka samy nomeny anarana ny tanàna naoriny.
       39Ny zanak'i Makira, zanak'i Manase, nananika an'i Galaada, dia nahafaka azy, sy nandroaka ny Amoreana izay nonina tao. 40Koa nomen'i Moizy an'i Makira, zanak'i Manase, Galaada, ary niorim-ponenana tao izy. 41Dia nandroso Jaïra, zanak'i Manase, ka nahafaka ny zana-bohiny, izay nantsoiny hoe Zanabohitr'i Jaïra. 42Nandroso koa Nobe, ka nahafaka an'i Kanata mbamin'ny tanàna momba azy, dia nantsoiny hoe Nobe araka ny anarany izy. >