Ny Fanisana
Fanisana toko 34
Faritry ny tany - Filohany voatendry hizara ny tany.
1Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 2Mandidia ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Rahefa tafiditra any amin'ny tany Kanaana hianareo, izao no tany ho tonga zara taninareo: ny tany Kanaana araka ny mamaritra azy.
3Ny lafiny atsimo amin'ny taninareo dia ny efitra Sina, hatrany Edoma, ka ny faritrareo atsimo dia hatramin'ny faran'ny ranomasin-Tsira any atsinanana, 4dia miolaka mianatsimo amin'ny fiakarana Akrabima ny faritrareo, dia mandalo any Sina, mandroso hatrany atsimon'i Kadesy-Barne, mitohy amin'ny Hatsar-Adar, mihazo any Asemona, 5ary hatreo Asemona, dia mipaka hatrany amin'ny riakan'i Ejipta, sy mihatra amin'ny ranomasina.
6Ny faritra andrefana kosa, dia ny ranomasina Lehibe no ho faritrareo; io no hamaritra anareo amin'ny andrefana.
7Izao no sisin-taninareo amin'ny avaratra. Avy ao amin'ny ranomasina Lehibe, dia hofaritanareo mihazo any an-tendrombohitra Hora; 8avy ao an-tendrombohitra Hora, dia hofaritanareo mankao amin'ny vavahadin'i Hamata ka tonga hatrany sedada io faritra io; 9dia hitohy amin'ny Jofrona sy ho tafapaka any Hatsar-Enàna: izany no ho faritrareo amin'ny avaratra.
10Ny sisin-taninareo any atsinanana dia hatreo Hatsar-Enàna ka hatrany Sefama; 11ary ny faritra dia midina avy eo Sefama mankany Reblà, atsinanan'i Aïna; dia mbola midina mitohy manaraka ny havoana eo an-tsisin'ny ranomasina Kenereta any atsinanana, 12ary midina ny faritra manaraka ny moron'i Jordany ka tafapaka hatramin'ny ranomasin-Tsira. Izany no ho taninareo araka ny faritra manodidina azy.
13Izao no nandidian'i Moizy ny zanak'Israely nataony hoe: Izany no tany hozarainareo amin'ny filokana sy nodidian'ny Tompo homena ny foko sivy sy ny antsasa-poko. 14Fa ny fokon'ny zana-dRobena araka ny fokom-pianakaviny avy, sy ny fokon'ny zanak'i Gada, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia efa samy nandray ny azy, ny antsasaky ny fokon'i Manase efa nandray ny lovany. 15Samy efa naka ny anjara lovany aty an-dafin'i Jordany hitsin'i Jerikao amin'ny lafiny any atsinanana, amin'izay iposahan'ny masoandro, ny foko roa sy ny antsasa-poko.
16Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 17Izao no anaran'ny lehilahy hizara ny tany aminareo: Eleazara, mpisorona, sy Josoe, zanak'i Nòna. 18Ary lehilahy iray isam-poko no halainareo hizara ny tany, 19ka izao no anaran'ireo lahilahy ireo: Kaleba zanak'i Jefone, amin'ny fokon'i Jodà, 20Samoela, zanak'i Amioda amin'ny fokon'i Simeona, 21Elidada, zanak'i Kaslona amin'ny fokon'i Benjamina. 22Baoksy izay filohany, zanak'i Jogly amin'ny fokon'ny zanak'i Dana. 23Ny amin'ny zanak'i Josefa: Haniela izay filohany, zanak'i Efoda, amin'ny fokon 'ny zanak'i Manase; 24ary Kamoela izay filohany, zanak'i Seftàna amin'ny fokon 'ny zanak'i Efraima; 25Elisafàna, izay filohany, zanak'i Farnàka, amin'ny fokon'ny zanak'i Zabolona; 26Faltiela izay filohany, zanak'i Azana, amin'ny fokon'ny zanak'Isakara; 27Ahioda izay filohany, zanak'i Salomy, amin'ny fokon'ny zanak'i Asera; 28Fedaela izay filohany, zanak'i Amioda, amin'ny fokon'ny zanak'i Neftalì. 29Ireo no nodidian'ny Tompo hizara ny tany Kanaana amin'ny zanak'Israely. >