Ny Fanisana
Fanisana toko 35
Didy momba ny tanànan'ny Levita sy ny tanàna fialofana.
1Niteny tamin'i Moizy Iaveh tao an-tany lemak'i Moaba amoron'i Jordany, tandrifin'i Jerikao, nanao hoe: 2Omeo didy ny zanak'Israely hanome tanàna ho an'ny Levita avy amin'ny lova hananany avy, mba honenany ao. Homenareo tany fiandrasam-biby manodidina izany tanàna izany koa ny Levita. 3Hanana ny tanànany izy honenany, ary ny tany fiandrasam-biby, dia ho an'ny biby vaventy fiompiny sy ny fananany mbamin'ny bibiny rehetra. 4Ny tany fiandrasam-biby momba ny tanàna homenareo ny Levita, dia ho arivo hakiho manodidina hatreo amin'ny mandan'ny tanàna avy eo ivelany. 5Any ivelan'ny tanàna hianareo handrefy roa arivo hakiho amin'ny lafiny atsinanana, roa arivo hakiho amin'ny lafiny atsimo, roa arivo hakiho amin'ny lafiny andrefana, roa arivo hakiho amin'ny lafiny avaratra, ka dia ho ao afovoany ny tanàna. Izany no ho tany fiandrasam-biby momba ny tanànan'izy ireo.
6Ary ny tanàna homenareo ny Levita, dia ny tanàna fialofana enina, izay halaminareo handosiran'izay nahafaty olona; ary fanampin'izany dia homenareo tanàna hafa roa amby efapolo koa izy, 7dia ho valo amby efapolo izany no ho tanàna homenareo ny Levita omban'ny tany fiandrasam-bibiny avy. 8Ny zaratanin'ny zanak'Israely hanomezanareo ireo tanàna ireo, dia izay manam-be no hangalanareo be, ary izay manan-kely no hangalanareo kely; ka dia samy hanome ny Levita amin'ny tanànany araka ny lova noraisiny avy izy ireo.
9Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 10Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Rahefa tafita an'i Jordany ka efa any amin'ny tany Kanaana hianareo, 11dia mifidiana tanàna ho tanàna fialofana ho anareo, mba handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy. 12Izany tanàna izany, dia ho fialofana ho anareo tsy ho azon'ny mpamaly rà; mba tsy hovonoina, alohan'ny hisehoany hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana izay nahafaty olona. 13Ka amin'ny tanàna homenareo, dia enina no ho tanàna fialofana ho anareo. 14Ny tanàna telo homenareo ety an-dafin'i Jordany ary ny tanàna telo homenareo any amin'ny tany Kanaana. 15Ireo no ho tanàna fialofana, ary ireo tanàna enina ireo, dia ho fialofana ho an'ny zanak'Israely, ho an'ny vahiny ary ho an'izay mitoetra eo aminareo, mba handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.
16Raha namely vy olona izy ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona izy ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona. 17Raha namely azy, ka vato mety hahafaty olona no teny an-tànany, ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona izy ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona. 18Raha namely azy, ka fiasana hazo mety hahafaty olona no teny an-tànany, ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona. 19Ny mpamaly rà no hamono ny mpamono olona; amin'izay hifanenany aminy no hamonoany azy. 20Raha nampitsingadina olona izy, noho ny fankahalany, na nitoraka zavatra tamin'olona tamin'ny fanotrehana, ka nahafatesany azy izany; 21dia namely tànana azy, noho ny fankahalana, ka nahafatesany azy izany, dia hohelohin-ko faty izay namely, fa mpamono olona; ary ny mpamaly rà no hamono azy rahefa hifanena aminy izy.
22Fa raha nampitsingadina olona tsy nahy kosa izy, tsy noho ny fankahalany azy, na nitoraka zavatra taminy tsy nikendreny azy, 23na nanjera vato tsy nahy taminy, mety hahafaty, ka nahafatesany azy izany, nefa tsy fahavalony izy, na nitady hanisy ratsy azy, 24dia hotsarain'ny fiangonana araka izany lalàna izany ilay namely sy ny mpamaly rà; 25ary hanafaka ilay nahafaty olona amin'ny mpamaly rà ny fiangonana, hamerina azy ho any amin'ny tanàna fialofana izay nandosirany, dia hitoetra ao izy, mandra-pahafatin'izay mpisorom-be voahosotra tamin'ny diloilo masina. 26Raha mivoaka ny faritry ny tanàna fialofana izay nandosirany ilay nahafaty olona, 27ka azon'ny mpamaly rà any ivelan'ny faritry ny tanàna fialofana, ka vonoin'ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, dia tsy heloka ho azy izany vonoana izany; 28satria tsy maintsy mitoetra ao an-tanàna fialofany izay nahafaty olona mandra-pahafatin'ny mpisorom-be; fa rahefa maty ny mpisorom-be vao mahazo mody any amin'ny zarataniny ilay nahafaty olona. 29Ireo lalàna ireo, dia mametra ny rariny harahinareo, hianareo sy ny taranakareo na aiza na aiza honenanareo.
30Raha misy olona nahafaty namana, dia ny filazan'ny vavolombelona no hanamelohan-ko faty izay nahafaty olona, fa raha vavolombelona iray ihany kosa tsy ampy ny filazany hanamelohana olona ho faty. 31Aza mandray avotra aina amin'ny mpamono olona mendrika hovonoina noho ny heloka nataony, fa tsy maintsy atao maty izy. 32Aza mandray avotra amin'izay nandositra ho ao an-tanàna fialofana, mba hahazoany mody hitoetra any amin'ny taniny, alohan'ny fahafatesan'ny mpisorom-be.
33Aza mandoto ny tany onenanareo, fa ny rà no mandoto ny tany, ary tsy misy fanavotana ny tany amin'ny rà nalatsaka afa-tsy ny ran'ny nandatsaka azy ihany. 34Aza manevateva ny tany onenanareo sy onenako koa, fa izaho no Iaveh mitoetra eo afovoan'ny zanak'Israely. >