Ny Fanisana
Fanisana toko 4
Ny amin'ny raharahan'ny Levita.
1Ary niteny tamin'i Moizy sy Aarona Iaveh ka nanao hoe: 2Isao ny taranak'i Kaata amin'ny taranak'i Levì, araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, 3hatramin'ny telopolo taona no ho miakatra ka hatramin'ny dimam-polo taona; dia izay rehetra voatendry hanao fanompoana hahavita raharaha ao amin'ny trano lay fihaonana.
4Izao no raharaha hataon'ny taranak'i Kaata ao amin'ny trano lay fihaonana: hitondra ny fanaka masina indrindra izy. 5Rahefa hifindra lasy, dia Aarona sy ny zanany aloha no ho avy hampidina ny lamba fanakonana, ka ny fiaran'ny vavolombelona, dia hosaronany amin'io; 6ary hodi-dogaona no harakony eo ambonin'io; lamba jaky volomparasy iray volo no hovelariny ambonin'izay; izay vao hapetany eo ny baony. 7Ny latabatry ny mofo alahatra, dia hovelarany lamba jaky volomparasy ka hapetrany eo amboniny, ny lovia, ny kalisy, ny kapaoka, ary ny kopy amin'ny fanatitra araraka, ary ny mofo mifandimby tsy tapaka, dia hatao eo ambonin'ny latabatra. 8Hovelariny lamba mena antitra eo amboniny ireo, sy horakofany firakotra hodi-dogaona vao hapetany ny baon'ny latabatra. 9Haka lamba jaky volomparasy izy ireo handrakofany ny fanaovan-jiro mbamin'ny lalampiny, ny hetin-jirony, ny fitoeran-davenon-jirony, ny fitoeran-diloilo fanao aminy, sy izay ilaina aminy; 10ary hataony ao anatin'ny firakotra hodi-dogaona izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, vao hapetrany eo ambonin'ny filanjana azy. 11Ny otely volamena dia hovelarany lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona vao hametahany ny baony. 12Halainy ny fanaka rehetra fanaovana ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina, ka hataony ao anatin'ny lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona vao hapetrany eo ambonin'ny filanjana azy. 13Hesoriny ny lavenona eo amin'ny otely dia hovelarany lamba jaky mena mangatrakatraka eo amboniny; 14ka hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin'ny raharaha atao aminy, dia ny fatana, ny fitrebika, ny sotron'afo, ny tavy ary ny fanaka rehetra momba ny otely; hovelarany firakotra hodi-dogaona eo amboniny ireo, vao hapetany eo ny baony. 15Rahefa vitan'i Aarona sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak'i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masina anefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan'ny taranak'i Kaata. 16Elezara zanak'i Aarona mpisorona, no hitandrina ny diloilon'ny fanaovan-jiro, ny zava-manitra mani-pofona, ny fanatitra tsy tapaka ary ny diloilo fanosorana, dia hitandrina ny Fonenana manontolo mbamin'izay rehetra ao anatiny, ny fitoerana masina mbamin'ny fanaka rehetra momba azy.
17Ary niteny tamin'i Moizy sy Aarona Iaveh ka nanao hoe: 18Tandremo sao ho voafongotra ny fokon'ny fianakavian'ny Kaatita eo afovoan'ny Levita. 19Izao no ataovy amin'izy ireo, mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: Aarona sy ny zanany ihany no hiditra, dia hanome azy ireo ny anjara raharaha sy anjara entany tsirairay avy, 20fa ny Levita kosa dia tsy hiditra hijery ny zavatra masina, na dia indray mipy maso aza, fandrao maty izy.
21Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: 22Isao koa ny taranak'i Gersona, araka ny fianakaviany avy; 23ny hatramin'ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin'ny dimam-polo, no alao isa, dia izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana izay manana anjara raharaha ao amin'ny trano lay fihaonana.
24Izao no fanompoana hataon'ny fokon'ny Gersonita, dia ny anjara raharahany sy ny anjara entany. 25Hitondra ny ambain'ny Fonenana sy ny trano lay fihaonana izy, mbamin'ny firakony ary ny sarona hodi-dogaona izay fanao eo amboniny, ny varavarana lamba izay ao amin'ny fidiran'ny trano lay fihaonana, 26ny fefy lamban'ny kianja, ny vavahady lamba izay eo amin'ny fidiran'ny kianja manodidina ny Fonenana, sy ny otely, ary ny kofehy amam-panaka rehetra momba azy; dia izy ireo no hanao ny fanompoana rehetra momba izany. 27Aarona sy ny zanany no handahatra ny raharaha rehetra hataon'ny taranaky ny Gersonita momba ny zavatra rehetra hoentiny sy ny zavatra rehetra hataony; homenareo hotandremany ny zavatra rehetra tsy maintsy entiny. 28Izany no fanompoan'ny fianakavian'ny zanaky ny Gersonita amin'ny trano lay fihaonana, izany no raharahany eo ambanin'ny fitandreman'Itamara, zanak'i Aarona mpisorona.
29Alao isa ny taranak'i Merary, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, 30ny hatramin'ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin'ny dimam-polo taona no hisainao, dia izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin'ny trano lay fihaonana. 31Ka izao no homena hokarakarainy, dia ny zavatra hoentiny araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano lay fihaonana: ny hazo fisaka amin'ny Fonenana, ny barany, ny andriny, ny faladiany, 32ny andry amin'ny kianja manodidina azy, ny faladian'ireo, ny tsimany, ny kofehiny, mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny zavatra rehetra ilaina aminy. Tano an-tsoratra ny anaran'ny zavatra nomena hoentiny. 33Izany no fanompoan'ny fianakavian'ny zanak'i Merary, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano lay fihaonana, eo ambany fifehezan'Itamara, zanak'i Aarona mpisorona.
34Ary Moizy sy Aarona mbamin'ny filohan'ny fiangonana nanisa ny taranaky ny Kaatita, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, 35hatramin'ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin'ny dimam-polo taona, izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin'ny trano lay fihaonana. 36Dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo no isan'ny voaisa araka ny fianakaviany. 37Ireo no voaisa tamin'ny fianakavian'ny Kaatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny trano lay fihaonana. Araka ny didy nomen'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Moizy no nanaovan'i Moizy sy Aarona izany fanisana izany.
38Ny voaisa tamin'ny taranak'i Gersona araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, 39ny hatramin'ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin'ny dimam-polo taona, izay rehetra tsy maintsy manao fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin'ny trano lay fihaonana, 40dia telo-polo amby enin-jato sy roa arivo no voaisa araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy. 41Ireo no voaisa tamin'ny fianakavian'ny taranak'i Gersona, dia izay rehetra nanao fanompoana ao amin'ny trano lay fihaonana. Didin'ny Tompo no nanaovan'i Moizy sy Aarona izany fanisana izany.
42Ny voaisa tamin'ny fianakavian'ny taranak'i Merary, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, 43ny hatramin'ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin'ny dimam-polo taona, izay tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin'ny trano lay fihaonana, 44dia roan-jato sy telo arivo no voaisa, araka ny fianakaviany avy. 45Ireo no voaisa tamin'ny fianakavian'ny taranak'i Merary. Didy nomen'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Moizy no nanaovan'i Moizy sy Aarona izany fanisana izany.
46Ny voaisa rehetra tamin'ny Levita, izay nisain'i Moizy sy Aarona mbamin'ny filohan'Israely, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, 47hatramin'ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin'ny dimam-polo taona, izay rehetra tsy maintsy manana anjara raharaha amin'ny fanompoana sy ny fitondrana entana momba ny trano lay fihaonana. 48dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo no voaisa. 49Noho ny didy nomen'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Moizy no nanaovana izany fanisana izany sy nanomezana azy tsirairay ny fanompoana tsy maintsy hataony sy ny entana tsy maintsy hoentiny avy, ka dia voaisa araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy izy ireo. >