Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Fanisana

Fanisana toko 6
Ny amin'ny Nazareana - Teny fitsofan-drano.

       1Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: 2Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mitokana noho ny voady, dia voady ho nazareana izany, mba hanokan-tena ho voninahitra ho an'ny Tompo, 3dia hifady divay amam-pisotro mahamamo izy; tsy hisotro vinaingitra avy amin'ny divay na vinaingitra avy amin'ny fisotro mahamamo. Rahefa mety ho ranom-boaloboka tsy hisotroany akory, ary tsy hihinam-boaloboka koa, na ny lena na ny maina. 4Mandritra ny fotoana rehetra maha-nazareana azy, dia tsy hihinan-javatra avy amin'ny voaloboka izy, hatramin'ny voany ka hatramin'ny hodiny. 5Mandritra ny fotoana rehetra nivoadiany ho nazareana, dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro itokanany ho hajan'ny Tompo, dia ho masina izy, ka havelany haniry ho azy ny volon-dohany. 6Mandritra ny fotoana rehetra itokanany ho hajan'ny Tompo dia tsy hiditra am-paty izy; 7na dia ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza no maty, dia aoka tsy handoto tena amin'ireo izy, fa efa eo an-dohany ny fitokanany ho an'ny Andriamaniny. 8Voatokana ho an'ny Tompo izy, amin'ny fotoana rehetra maha-nazareana azy. 9Raha misy olona maty tampoka eo anilany, ka voaloto ny lohany voahasina dia hoharatany ny lohany amin'ny fandiovana azy; amin'ny andro fahafito no hanaratany azy. 10Ary amin'ny andro fahavalo, dia hitondra domohina roa na vanto-boromailala roa amin'ny mpisorona izy, eo anoloan'ny trano lay fihaonana. 11Ary ny mpisorona hanolotra ny anankiray ho sorona noho ny ota, ny iray kosa ho sorona dorana; dia hanao ny fanonerana ho azy, noho ny otany ny amin'ny faty. Hanokana ny lohany ilay nazareana amin'izany andro izany. 12Hanokana ho an'ny Tompo ny andro haha-nazareana azy, ary hanatitra zanak'ondry anankiray, efa iray taona, izy, ho fanati-panonerana; ary ny andro teo aloha dia ho very noho ny fitokanany efa voaloto.
       13Izao no lalàna mahazo ny nazareana: Rahefa tapitra ny andro maha-nazareana azy, dia hasaina mankeo am-baravaran'ny trano lay fihaonana izy; 14ka hanatitra ny fanatiny ho an'ny Tompo, zanak'ondry efa iray taona, tsy misy kilema, iray hatao sorona dorana; ondrivavy iray tsy misy kilema, efa iray taona, hatao sorona noho ny ota; ondrilahy iray tsy misy kilema hatao fanati-pihavanana; 15ary koa mofo tsy misy lalivay iray harona, mofomamy natao tamin'ny lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo, mofo manify tsy misy lalivay voaidina diloilo, mbamin'ny fanatitra sy ny fanatitra araraka. 16Hatolotry ny mpisorona an'ny Tompo ireo; hatolony koa ny sorony noho ny ota sy ny sorony dorana. 17Dia hatolony ny ondrilahy ho fanati-pihavanana amin'ny Tompo, mbamin'ny mofo tsy misy lalivay iray harona, ary hataon'ny mpisorona ny fanatitra amam-panatitra araraka momba azy. 18Ilay nazareana kosa hanaratra ny lohany voatokana, eo am-baravaran'ny trano lay fihaonana; dia halainy ny volon-dohany voatokana ka hataony ao amin'ny afo eo ambanin'ny fanati-pihavanana. 19Ary halain'ny mpisorona ny sorok'ondralahy rahefa masaka, mbamin'ny mofo tsy misy lalivay amin'ny harona, sy ny mofo manify tsy misy lalivay, ka hataony eo an-tànan'ilay nazareana, rahefa voaharatra ny lohany voatokana, 20dia hahevahevan'ny mpisorona eo anatrehan'ny Tompo ireo. Zava-masina anjaran'ny mpisorona izany, fanampin'ny tratra ahevaheva, sy ny fe avahana koa. Aorian'izany, dia mahazo misotro divay ny nazareana.
       21Izany no lalàna ny amin'ny nazareana izay nivoady, izany no fanatiny ho an'ny Tompo amin'ny maha-nazareana azy, afa-tsy izay azony atao araka ny ananany. Araka ny voady nataony no hanatanterahany ny lalàna ny amin'ny maha-nazareana azy.
       22Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: 23Mitenena amin'i Aarona sy ny zanany hoe: Hitso-drano ny zanak'Israely hianareo, dia hanao aminy hoe: 24Hitahy anao sy hiaro anao anie Iaveh. 25Hampamirapiratra ny tavany aminao sy hamindra fo aminao anie Iaveh. 26Hanandratra ny tavany aminao sy hanome fiadanana anao anie Iaveh. 27Dia izany no hametrahany ny anarako amin'ny zanak'Israely, ary izaho hitahy azy. >