Ny Fanisana
Fanisana toko 7
Fanatitra naterin'ny filohan'ny isam-poko hitokanana ny Fonenana.
1Tamin'ny andro nahavitan'i Moizy ny fananganana ny Fonenana ka nanosorany sy nanamasinany azy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, hatramin'ny otely mbamin'ny fanaka rehetra momba azy koa, rahefa nanosotra sy nanamasina an'ireo izy, 2dia nanatitra ny fanatiny ny lehibe amin'Israely izay filohan'ny isam-pokony avy; izy ireo no filohan'ny isam-poko izay nitarika ny fanisana. 3Nentiny teo anatrehan'ny Tompo ny fanatiny; sarety mirakotra enina, ary omby roa ambin'ny folo, izany hoe: sarety iray no avy amin'ny filohany roa, ary omby iray avy amin'ny filohany iray. Teo anoloan'ny Fonenana no nanolorany an'ireo.
4Dia niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: 5Raiso ireo zavatra avy aminy ireo, hoentina hanaovana ny raharaha momba ny trano lay fihaonana, ka omeo ny Levita, samy araka izay ilainy amin'ny raharahany avy. 6Dia noraisin'i Moizy ny sarety sy ny omby, ka napetrany amin'ny Levita. 7Sarety roa sy omby efatra no nomeny ny taranak'i Gersona, araka ny ilainy amin'ny raharahany. 8Sarety efatra sy omby valo kosa, no nomeny ny taranak'i Merary, fehin'Itamara, zanak'i Aarona mpisorona, araka izay ilainy amin'ny raharahany. 9Fa tsy nomeny kosa ny taranak'i Kaata, satria ny fanaka masina no anjara fanompoany, ka tsy maintsy lanjainy an-tsoroka. 10Natolotry ny filohany ny fanatitra hitokanana ny otely tamin'ny andro nanosorana azy. Natolotry ny filohany eo anoloan'ny otely ny fanatiny. 11Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Aoka hisy iray isan'andro ny filohany no tonga manolotra ny fanatiny, amin'ny fitokanana ny otely.
12Ka tamin'ny andro voalohany, dia i Nahasona, zanak'i Aminadaba, avy amin'ny fokon'i Jodà no nanolotra ny fanatiny. 13Izao no nateriny: Lovia volafotsy iray lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo ireo, ho fanatitra; 14lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra; 15vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry efa iray taona, iray, ho sorona dorana, 16osilahy iray, ho sorona noho ny ota, 17ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Nahasona zanak'i Aminadaba.
18Tamin'ny andro faharoa, Natanaela zanak'i Soara, filohan'Isakara, no nanolotra ny fanatiny. 19Izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra izy roa ireo, ho fanatitra, 20lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra, 21vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 22osilahy iray, ho sorona noho ny ota; 23ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry, dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Natanaela zanak'i Soara.
24Tamin'ny andro fahatelo dia an'i Eliaba zanak'i Helona, filohan'ny taranak'i Zabolòna; 25izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 26lovia kely volamena, folo sikla, feno zava-manitra; 27vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 28osilahy iray, ho sorona noho ny ota; 29ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Eliaba, zanak'i Helona.
30Tamin'ny andro fahefatra dia an'i Elisora zanak'i Sedeora, filohan'ny tarana-dRobena; 31izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 32lovia kely volamena iray folo sikla, feno zava-manitra; 33vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 34osilahy iray, ho sorona noho ny ota; 35ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Elisora zanak'i Sedeora.
36Tamin'ny andro fahadimy, an'i Salamiela zanak'i Sorsadaìa, filohan'ny zanak'i Simeona, 37izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 38lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra, 39vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana, 40osilahy iray ho sorona noho ny ota, 41ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Salamiela, zanak'i Sorisadaìa.
42Tamin'ny andro fahenina an'i Eliazafa, zanak'i Dela, filohan'ny zanak'i Gada, 43izao no nateriny: lovia volafotsy iray lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 44lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra; 45vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 46osilahy iray, ho sorona noho ny ota; 47ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Eliazafa zanak'i Doela.
48Tamin'ny andro fahafito, an'i Elisamà zanak'i Amioda, filohan'ny zanak'i Efraima; 49izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 50lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra; 51vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 52osilahy iray, ho sorona noho ny ota, 53ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Elisamà zanak'i Amioda.
54Tamin'ny andro fahavalo, an'i Gamaliela, zanak'i Fadasora, filohan'ny zanak'i Manase; 55izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 56lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra; 57vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taoana, ho sorona dorana; 58osilahy iray, ho sorona noho ny ota, 59ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Gamaliela zanak'i Fadasora.
60Tamin'ny andro fahasivy an'i Abidàna zanak'i Jejeona, filohan'ny zanak'i Benjamina; 61izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 62lovia kely volamena iray, feno zava-manitra; 63vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 64osilahy iray ho sorona noho ny ota; 65ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Abidàna, zanak'i Jedeona.
66Tamin'ny andro fahafolo, an'i Ahiesera, zanak'i Amisadaìa, filohan'ny zanak'i Dana; 67izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 68lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra, 69vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 70osilahy iray ho sorona noho ny ota; 71ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Ahiesera, zanak'i Amisadaìa.
72Tamin'ny andro faharaika ambin'ny folo, an'i Fegiela, zanak'i Okarana, filohan'ny zanak'i Asera; 73izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 74lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra; 75vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana, 76osilahy iray, ho sorona noho ny ota; 77ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Fegiela zanak'i Okrana.
78Tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo, an'i Ahirà, zanak'i Enàna, filohan'ny zanak'i Neftalì; 79izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 80lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra; 81vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 82osilahy iray, ho sorona noho ny ota; 83ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Ahirà zanak'i Enàna.
84Ireo no fanomezana avy amin'ny filohan'Israely, tamin'ny fitokanana ny otely, tamin'ny andro nanosorana azy; lovia volafotsy roa ambin'ny folo, kapoaka volafotsy roa ambin'ny folo, ary lovia kely volamena roa ambin'ny folo. 85Ny lovia volafotsy lanjana telopolo amby zato sikla avy, ary ny kapoaka, fitopolo avy; ka efa-jato amby roa arivo sikla, araka ny sikla masina, no tontalin'ny volafotsy amin'ireo fanaka ireo. 86Ny lovia kely volamena roa ambin'ny folo, feno zava-manitra, dia samy folo sikla avy, araka ny sikla masina; roapolo amby zato sikla no tontalin'ny volamenan'ny lovia kely. 87Ny tontalin'ny biby hatao sorona, dia vantotr'ombalahy roa ambin'ny folo; ondralahy roa ambin'ny folo sy zanak'ondry roa ambin'ny folo, efa iray taona, mbamin'ny fanatitra momba azy; osilahy roa ambin'ny folo, hatao sorona noho ny ota; 88ny tontalin'ny biby hatao sorom-pihavanana, dia omby efatra amby roapolo, ondrilahy enimpolo, osilahy enimpolo, ary zanak'ondry efa iray taona, enimpolo. Ireo no fanomezana naterina tamin'ny fitokanana ny otely, nony efa voahosotra izy.
89Raha niditra tao amin'ny trano lay fihaonana i Moizy, mba hiteny tamin'ny Tompo, dia nandre feo niresaka taminy, avy ao amin'ny fanaovam-panavotana izay nipetraka teo ambonin'ny fiaran'ny vavolombelona, anelanelan'ny kerobima roa.
Ary niteny taminy izy. >