Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Fanisana

Fanisana toko 8
Fampirehetana ny jiro - Fanokanana ny Levita.

       1Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: 2Mitenena amin'i Aarona, ka lazao aminy hoe: Rehefa mametraka ny lalampy eo amin'ny fanaovan-jiro hianao, dia ataovy manazava eo anoloan'ny fanaovan-jiro ny lalampy fito. 3Dia nataon'i Aarona izany, napetrany eo amin'ny anoloan'ny fanaovan-jiro ny lalampy araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 4Ny fanaovan-jiro, dia volamena tefy manta avokoa, hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny voniny. Modely nasehon'ny Tompo an'i Moizy no nanaovany azy.
       5Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: 6Avaho amin'ny zanak'Israely ny Levita, ka diovy. Toy izao no hanadiovanao azy. 7Fafazo rano fanonerana izy: aoka izy hanaratra ny tenany rehetra sy hanasa ny fitafiany, dia hidio izy. 8Dia haka vantotr'ombalahy iray hafa hianao, ho sorona noho ny ota. 9Hasainao handroso eo anoloan'ny trano lay fihaonana ny Levita, ary hovorinao ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra. 10Ny Levita, hasainao hanatona eo anatrehan'ny Tompo, ary ny zanak'Israely hametraka ny tànany amin'ny Levita; 11Aarona hanolotra ny Levita ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'ny Tompo, avy amin'ny zanak'Israely, mba ho voatokana hanao ny fanompoan'ny Tompo izy ireo. 12Ny Levita hametra-tànana amin'ny lohan'ny ombalahy, ka ny iray hatolotrao ho sorona noho ny ota, ary ny iray ho sorona dorana ho an'ny Tompo, mba hanaovana ny fanonerana ho an'ny Levita. 13Dia asaovy mijoro eo anatrehan'i Aarona sy ny zanany ny Levita, ka atolory ho fanatitra ahevaheva ho an'ny Tompo. 14Havahanao amin'ny zanak'Israely ny Levita, ka dia ho ahy ny Levita; 15ary rahefa izany, dia hiditra hanao fanompoana amin'ny trano lay fihaonana ny Levita. Toy izany no hanadiovanao azy sy hanoloranao azy ho fanatitra ahevaheva. 16Fa efa nomena ahy mihitsy izy eo afovoan'ny zanak'Israely; nalaiko ho ahy, ho solon'ny lahy rehetra voalohan-teraky ny reniny izy, 17dia ny lahimatoan'ny zanak'Israely rehetra, na amin'ny olona na amin'ny biby; tamin'ilay andro namelezako ny lahy voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Ejipta, no nanokanako azy ho ahy. 18Ary ny Levita no nalaiko ho solon'ny lahimatoan'ny zanak'Israely rehetra; 19dia natolotro mba ho an'i Aarona sy ny zanany mihitsy ny Levita eo amin'ny zanak'Israely mba hanao ny fanompoan'ny zanak'Israely ao amin'ny trano lay fihaonana, mba hanao ny fanonerana ho an'ny zanak'Israely, mba tsy ho voan'ny loza na inona na inona ny zanak'Israely, rahefa hanakaiky ny fitoerana masina.
       20Dia nataon'i Moizy sy Aarona mbamin'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra tamin'ny Levita, izay rehetra nandidian'ny Tompo an'i Moizy momba ny Levita; izany no nataon'ny zanak'Israely tamin'izy ireo. 21Nandio tena sy nanasa ny fitafiany ny Levita, ary Aarona nanolotra azy ho fanatitra ahevaheva teo anatrehan'ny Tompo sy nanao ny fanonerana ho azy ireo, mba hanadio azy; 22rahefa izany, dia niditra ny Levita nanao ny fanompoany tao amin'ny trano lay fihaonana teo anatrehan'i Aarona sy ny zanany. Araka izay nandidian'ny Tompo an'i Moizy ny amin'ny Levita, dia araka izany no natao tamin'izy ireo.
       23Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: 24Izao ny amin'ny Levita: Hatramin'ny dimy amby roapolo taona no ho miakatra, dia hilatsaka hanao ny fanompoana momba ny trano lay fihaonana izy ireo hanaovany raharaha ao. 25Rahefa dimampolo taona izy, dia hiala amin'ny raharaha ka tsy hanao ny fanompoana intsony. 26Hanampy ny rahalahiny ihany izy ao amin'ny trano lay fihaonana, hitandrina izay rehetra tsy maintsy harahina, fa tsy hanao ny fanompoana intsony izy. Izany no hataonao amin'ny Levita momba ny raharahany. >