Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'i Filemona

Filemona toko 1
Fiarahabana sy fiderana azy - Fifonana ho an'i Onesimo - Famaranana sy fanaovam-beloma.

       1Paoly mpifatora noho ny amin'ny Kristy Jesoa, sy Timote rahalahy, mamangy an'i Filemona malala sady mpiara-miasa aminay, 2sy Apia anabavy malala, sy Arkipo mpiara-miady aminay, ary ny Eglizy izay ao an-tranonao: 3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesoa-Kristy Tompo.
       4Mahatsiaro anao mandrakariva amin'ny fivavahako aho ka misaotra an'Andriamanitra, 5satria reko ny finoanao an'i Jesoa Tompo sy ny fitiavanao ny olona masina rehetra. 6Enga anie ny hazavam-ponao avy amin'ny finoana ka hanan-kery tokoa hampiharihary fatratra ny soa rehetra ananantsika amin'ny alalan'ny Kristy! 7Fa mameno hafaliana amam-panalana alahelo ahy ny fitiavanao, noho hianao efa namelombelona ny fon'ny olona masina, ry rahalahy.
       8Koa amin'izany, na dia azoko atao aza ny mandidy anao ao amin'ny Kristy amin'izay tokony hataonao, 9dia aleoko miangavy aminao noho ny fitiavana. Hitanao izao Paoly efa antitra sady mpifatotr'i Jesoa-Kristy koa ankehitriny; 10dia mifona aminao ho an'i Onesimo zanako naterako teto am-patorana, 11izay tsy nahasoa anao loatra fahiny, fa mahasoa antsika tokoa ankehitriny, dia hianao sy izaho. 12Ampodiko atý aminao izy, ilay sombin'ny aiko. 13Nikasa hihazona azy taty amiko aho, mba hanompo ahy ho solonao, eto amin'ny fifatorako noho ny amin'ny Evanjely; 14saingy naleoko tsy nanao na inona na inona raha tsy teny ierana aminao, mba tsy ho an-tery setra ny asa soanao, fa ho an-tsitra-po tokoa. 15Angamba koa Onesimo no niala vetivety teto aminao, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, 16tsy toy ny mpanompo intsony, fa mihoatra noho ny mpanompo, dia tahaka ny rahalahy malala, ho ahy indrindra ary mainka fa ho anao, na araka ny nofo, na araka ny Tompo. 17Koa raha ataonao ho namanao tokoa aho, dia raiso tahaka ny tenako izy; 18ary raha nanao ny tsy marina taminao izy, na nitrosa taminao, dia ataovy ho trosako aminao izany.
       19Izaho Paoly no manoratra ity amin'ny tànako, izaho no hanefa izany, mba tsy hilazako aminao fa mpitrosako hianao, ary ahy mbamin'ny tenanao aza. 20Eny, ry rahalahy, aoka hifaliako ao amin'ny Tompo hianao, ka velombelomy ao amin'ny Kristy ny foko. 21Izaho no nanoratra ity taminao, dia matoky marina fa hoekenao, ary hanao mihoatra noho izay angatahiko aza hianao.
       22Dia mba anomano trano hitoerako koa aho, fa noho ny vavaka ataonareo dia manantena aho fa haverina aminareo. 23Manao veloma anao Epafrasy, mpiara-mifatotra amiko ao amin'ny Kristy Jesoa, 24sy Marka, sy Aristarka sy Demasy, ary Lioka, izay mpiara-miasa amiko. 25Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. Amena. >