Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Toko voalohany

1 Paoly sy Timote, mpanompon'i Jesoa-Kristy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'ny Kristy Jesoa, mbamin'ny Pretra sy ny Diakra any Filipy:

2 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika, sy Jesoa-Kristy Tompo. 3 Misaotra an'Andriamanitra isaky ny mahatsiaro anareo aho;

4 ary mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra, 5 noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely, hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny; 6 sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin'ny andron'i Jesoa-Kristy. 7 Ary rariny ny iheverako anareo rehetra toy izany, satria efa mby ato am-poko hianareo rehetra, noho hianareo rehetra mpiombona ny fahasoavana ananako, na amin'ny fifatorako, na amin'ny fampandreseko lahatra sy fanamafisako orina ny Evanjely. 8 Fa Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo rehetra ao am-pon'ny Kristy Jesoa indrindra aho. 9 Ary izao no angatahiko aminy, dia ny hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin'ny fahaizana amam-pahalalana rehetra ny fitiavanareo,

10 mba hamantaranareo izay tsaratsara kokoa, dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-pihavin'ny andron'ny Kristy hianareo, 11 ary feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin'i Jesoa-Kristy, ho voninanitra sy fiderana an'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0777