Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Filipiana toko 2, 6-11
<6na dia tao amin'ny fomban'Andriamanitra aza izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin'Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, 7fa nialany izany tamin'izy naka ny fomban'ny mpanompo, ka tonga mitovy amin'ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin'ny fisehoany rehetra, 8ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. 9Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra izy, sy nomeny anarana mihoatra ny anarana rehetra, 10mba handohalika amin'ny anaran'i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etý an-tany, na ny any ambany, 11ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa Jesoa-Kristy dia Tompo efa niditra amin'ny voninahitr'Andriamanitra Ray. >