Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Toko faha-2

1 Koa raha mba manana famporisihana ao amin'ny Kristy koa hianareo, na manana fanalana alahelo amin'ny fitiavana ihany, raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo,

2 dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin'ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra, 3 tsy hanao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, 4 samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an'ny namany koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0506