Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Toko faha-3

1 Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerin-teny raha manoratra aminareo, sady mahasoa anareo izany.

2 Mitandrema tena amin'ireo amboa, mitandrema tena amin'ireo mpiasa ratsy, mitandrema tena amin'ireo manan-taketra! 3 Fa isika no tena voafora, dia isika izay manompo an'Andriamanitra amin'ny Fanahy, sy manao ny Kristy Jesoa ho reharehantsika, ary tsy mitoky amin'ny nofo. 4 Mba manana izay hitokiako amin'ny nofo ihany anefa aho, ka raha ny olon-kafa aza manao azy ho afa-mitoky amin'ny nofo, mainka fa izaho; 5 fa izaho dia isan'ny voafora tamin'ny andro fahavalo, taranak'Israely avy amin'ny fokon'i Benjamina, Hebrio, teraky ny Hebrio; farisiana aho, raha ny amin'ny Lalàna; 6 mpanenjika ny Eglizy, raha ny amin'ny zotom-po; tsy nanan-tsiny, raha ny amin'ny fahamarinana ny amin'ny Lalàna. 7 Ireny toa tombony ho ahy ireny anefa, dia nataoko ho faty antoka noho ny amin'ny Kristy. 8 Eny, mbola ataoko ho faty antoka tokoa izany rehetra izany, raha oharina amin'ny fahambonian'ny fahalalana ny Kristy Jesoa Tompoko; fa ny fitiavako azy no namoizako ny zavatra rehetra, ary mba hahazoako ny Kristy, dia ataoko ho fako, fako foana ny zavatra rehetra,

9 mba ho hita ao aminy aho, tsy amin'ny fahamarinan'ny tenako, na ilay avy amin'ny Lalàna, fa amin'ilay avy amin'ny finoana ny Kristy, dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra noho ny finoana; 10 mba hahalala azy aho, dia izy sy ny herin'ny fitsanganany amin'ny maty, ary ny fiombonana amin'ny fijaliany, ka ho tonga toa azy amin'ny fahafatesany, 11 sy hahatratra ny fitsanganana amin'ny maty, raha azoko atao. 12 Tsy dia hoe efa nahatratra sahady aho tsy akory, na hoe efa lavorary; fa miezaka aho mba hahatratra izay nahatratraran'ny Kristy Jesoa ahy.

13 Eny, ry rahalahy, tsy manao ahy ho efa nahatratra aho, fa zavatra iray ihany no ataoko, dia ny manadino izay eo aoriako, sy miezaka ho amin'izay eo alohako; 14 mihazakazaka hahatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay iantsoan'Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin'ny Kristy Jesoa. 15 Aoka àry hiray amin'izany ny hevitsika rehetra efa lavorary; ary raha mbola misy zavatra sasany iheveranareo hafa noho izany, dia Andriamanitra no hanazava anareo ny amin'izany. 16 Ny efa azontsika anefa dia aoka hizorantsika, toraka ny efa nataontsika hatramin'izao. 17 Ry rahalahy, makà tahaka ahy hianareo; ary diniho ireo mandeha araka ny ohatra hitany taminay.

18 Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny, fa maro no mandeha miseho ho fahavalon'ny hazo fijalian'i Jesoa-Kristy mihitsy. 19 Fahaverezana no hiafaran'ireny, fa ny kibony no andriamaniny, ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany, ny zavatry ny tany no hany ankamaminy. 20 Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesoa-Kristy Tompo, 21 izay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity, ka hampitovy endrika azy amin'ny vatany be voninahitra, araka ny herin'ny fahefana nampanekeny azy ny zavatra rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1045