Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Toko faha-4

1 Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, mamiko indrindra, fifaliako aman-tsatro-boninahitro, mahareta tsara ao amin'ny Tompo araka izany, ry malalako.

2 Mangataka amin'i Evodia aho, ary mihanta amin'i Sintikea, mba hifanara-kevitra tsara ao amin'ny Tompo izy.

3 Ary hianao kosa, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, dia mangataka aminao aho mba hanampy azy roa vavy amin'izany koa, fa izy ireo no niara-niady tamiko teo amin'ny Evanjely, dia izy sy Clément mbamin'ireo mpiara-miasa amiko sisa, izay efa ao amin'ny bokin'ny fiainana ny anarany. 4 Mifalia mandrakariva ao amin'ny Tompo; eny, averiko indray: mifalia e!

5 Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny hamoram-panahinareo: efa akaiky anie ny Tompo e! 6 Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an'Andriamanitra, amin'ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin'inona na amin'inona. 7 Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin'ny Kristy Jesoa anie ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra. 8 Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rahefa mety ho hatsaram-panahy, sy rahefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.

9 Araho avokoa izay efa nianaranareo, sy noraisinareo ary renareo sy hitanareo tamiko, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana. 10 Nahazo hafaliana lehibe ao amin'ny Tompo aho, fa indro hitako mamony indray izao ny fitsinjovanareo ahy; tao aminareo mandrakariva izany, saingy ny zavatra hohararaotinareo no tsy mbola nisy.

11 Tsy dia filan-javatra anefa no ilazako izany, fa efa nianatra ny ho afa-po amin'izay ananako aho, 12 ka haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho, ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona, na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona. 13 Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin' ilay mankahery ahy; 14 nefa tsara ny nataonareo niombom-pahoriana tamiko. 15 Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny Evanjely, rahefa niala tany Masedonia aho, dia tsy nisy Eglizy nifanao kaontin'ny miditra sy mivoaka tamiko, afa-tsy hianareo ihany.

16 Fony aho tany Tesalonìka aza, dia nampanateranareo fanampiana indray mandeha aloha, dia nisy fanindroany koa. 17 Tsy mitady ny homena indray aho, fa ny vokatra miavosa soratana ho anareo no tadiaviko. 18 Efa miadana aho izao, ary manana ny ampy sy feno mihitsy, nahazo ny zavatra nampanaterinareo an'i Epafrodita, izay toy ny zava-mani-pofona sy fanatitra ankasitrahan'Andriamanitra, raisiny an-kafaliana. 19 Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin'ny Kristy Jesoa izany. 20 Ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena. 21 Veloma any amin'ny olona masina rehetra, ao amin'ny Kristy Jesoa.

22 Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko; manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ry zareo ao an-dapan'i Sezara. 23 Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1769