Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Filipiana toko 4, 12-20
<12ka haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho, ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona, na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona. 13Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin' ilay mankahery ahy; 14nefa tsara ny nataonareo niombom-pahoriana tamiko.
       15Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny Evanjely, rahefa niala tany Masedonia aho, dia tsy nisy Eglizy nifanao kaontin'ny miditra sy mivoaka tamiko, afa-tsy hianareo ihany. 16Fony aho tany Tesalonìka aza, dia nampanateranareo fanampiana indray mandeha aloha, dia nisy fanindroany koa. 17Tsy mitady ny homena indray aho, fa ny vokatra miavosa soratana ho anareo no tadiaviko. 18Efa miadana aho izao, ary manana ny ampy sy feno mihitsy, nahazo ny zavatra nampanaterinareo an'i Epafrodita, izay toy ny zava-mani-pofona sy fanatitra ankasitrahan'Andriamanitra, raisiny an-kafaliana. 19Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin'ny Kristy Jesoa izany. 20Ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena. >