Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Filipiana toko 4, 6-9
<6Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an'Andriamanitra, amin'ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin'inona na amin'inona. 7Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin'ny Kristy Jesoa anie ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
       8Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rahefa mety ho hatsaram-panahy, sy rahefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany. 9Araho avokoa izay efa nianaranareo, sy noraisinareo ary renareo sy hitanareo tamiko, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana. >