Fitomanian'i Jeremia

Toko voalohany

1 ALEPH Ahoana re no mitoetra manirery ity, ilay tanàna be olona! Zary toa mpitondratena, ilay nalaza tamin'ny firenena! izy izay mpanjakavavy eo amin'ny faritany, natao mpandoa hetra.

2 BETH Mitomany amin'alahelo izy, mandritra ny alina; voton-dranomaso ny takolany, tsy misy mampionona azy ireo mpitia azy rehetra; nivadika taminy ireo namany rehetra, ka tonga fahavalony.

3 GHIMEL Jodà dia lasan-ko babo, fadiranovana, voaheloka hiasa mafy; mitoetra any amin'ny firenena, tsy mahita fitsaharana; tratran'ireo mpanenjika azy, teo an-kadilanana tery.

4 DALETH Misaona ny làlan'i Siona, fa tsy misy intsony ny miakatra ho amin'ny fetiny. Rava avokoa ny vavahadiny, mitaraina ny mpisorony, miferin'aina ny virjininy ary tra-pahoriana mangidy izy.

5 HE Ny mpampahory azy mahery, ny fahavalony miadana; fa izy nampahorin'ny Tompo, noho ny hamaroan'ny fahadisoany. Ny zanany madinika lasan-ko babo, eo anoloan'ny mpampahory.

6 VAV Afaka amin'ny zanakavavin'i Siona ny voninahiny rehetra; Ny mpanapaka azy dia hoatra ny serfa tsy mahita vilona ka mandeha tsy manan-kery, eo anoloan'ny manenjika azy.

7 ZAIN Tsaroan'i Jerosalema amin'ny andron'ny fahoriany amam-pirenireneny ny zava-tsoa sarobidy rehetra izay nananany, hatry ny andro fahagola. Ankehitriny, rahefa lavon'ny tànan'ny mpampahory azy ny olony, sady tsy misy mamonjy azy, dia mahita azy ny fahavalony, ka mihomehy ny fifadiany asa.

8 HETH Nampitombo ny fahotany Jerosalema, ka tonga zava-maloto; mamingavinga azy avokoa izay nanaja azy, fa nahita ny fitanjahany; mandefa feo mitoloko koa izy, sady miamboho.

9 TETH Miseho eo ambany rambon'akanjony ny lotony; tsy nitsapa ny farany izy; ka mahagaga ny nahalavoany; sady tsy misy mampionona azy. Iaveh ô, jereo ity fahantrako, fa mahery ny fahavalo!

10 YOD Nandroso ny tànany ny mpampahory naka ny zava-tsoany rehetra; fa hitany ny firenena, niditra tao amin'ny fitoerany masina, dia ireo firenena izay namoahanao didy nataonao hoe: Tsy hiditra ao amin'ny fiangonanao izy!

11 KAPH Misento avokoa ny vahoaka; mitady hanina izy; izay firavaka ananany, afoiny atakalo hanina, izay mampody ny aina ao aminy, jereo Iaveh ô, zahao ity fietrena nilatsahako.

12 LAMED Hianareo rehetra izay mandeha amin'ny làlana, jereo ka mahità, raha mba misy fahoriana toy izao manjo ahy izao, dia izaho izay nokapohan'ny Tompo, tamin'ny andron'ny fahatezerany mirehitra.

13 MEM Ny taolako dia nandatsahany avy any ambony, afo mandoro azy; novelarany fandrika eo anoloan'ny tongotro, ka nampihemotra ahy; nahatrany tamiko ny fahoriana ka reraka mandritra ny andro izao aho.

14 NUN Ny jiogan'ny fahotako dia voafehy, tao an-tànany; voatambatra ho fehezany ireny, ka mitambesatra amin'ny vozoko, nataony mihozohozo ny heriko. Natolotry ny Tompo eo an-tànan' izay tsy leoko aho.

15 SAMECH Nalain'ny Tompo avokoa ny mahery rehetra, izay teto afovoako; niantso tafika hamely ahy izy, hanorotoro ny zatovolahiko; nohosihosen'ny Tompo, toy ny eo amin'ny famiazam-boaloboka, ny virjiny, zanakavavin'i Jodà.

16 AIN Izany no itomaniako, ka mamarin-dranomaso ny masoko, eny ny masoko; fa tsy mba misy olona ato anilako, mampionona ahy, mamelombelona ny aiko. Vontom-pahoriana ny zanako, fa mahery ny fahavalo.

17 PHE Mananty tanan-droa Siona, ... Tsy misy mampionona azy! Nantsoin'ny Tompo hamely an'i Jakoba, ny fahavalony ka manarona azy izy. Eo afovoan'izy ireo Jerosalema, dia zary toa zava-maloto.

18 TSADE Tena marina Iaveh, satria efa nandà ny didiny aho. Endrey! ry firenena rehetra ô, mba mihainoa hianareo, ary mijere ny alaheloko: ny virjiniko sy ny zatovoko lasan-ko babo.

19 KOPH Niantso lehilahy mpitia ahy aho, fa nofitahany; ny mpisoroko aman-doholona maty ao an-tanàna, tamin'ilay izy nitady hanina iny hamelomany ny ainy.

20 RESCH Iaveh ô, jereo ity fahoriako! Mangotika ny atiko; mikorontana ny foko ato anatiko, fa niodina dia niodina tokoa aho. Eny ivelany, matin'ny sabatra ny zanako, ao an-trano, fahafatesana koa!

21 SCHIN Ren'ny olona ny fitolokoko, nefa tsy misy mampionona ahy izy. Raha nandre ny manjo ahy ny fahavaloko rehetra, dia mifaly izy, satria niasa hianao. Hampiavy ny andro voalazanao hianao; ka ho tonga toa ahy koa ireo!

22 THAV Ho mby eo anatrehanao avokoa anie ny faharatsian'ireo, mba hitondranao azy, toy ny nataonao tamiko noho ny fahadisoako rehetra! Fa be ny fisentoako, ka marary ny foko!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1868