Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko voalohany

1 Paoly Apostoly, tsy avy amin'olombelona, na avy amin'ny alalan'ny olombelona, fa avy amin'i Jesoa-Kristy sy Andriamanitra Ray izay nanangana azy tamin'ny maty,

2 mbamin'ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny Eglizy rehetra aty Galatia: 3 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana, avy amin'Andriamanitra Ray, sy Jesoa-Kristy Tompontsika, 4 izay nanolo-tena noho ny fahotantsika, mba hanafaka antsika amin'izao andro ratsy izao, araka ny lahatr'Andriamanitra Raintsika. 5 Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amena. 6 Gaga aho raha dia mivadika faingana toy izao hianareo, ka ilay niantso anareo ho amin'ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray.

7 Tsy dia hoe misy Evanjely hafa akory anie, fa ny Evanjelin'ny Kristy ihany no tadiavin'ny sasany hovana, mba hampitabataba anareo fotsiny! 8 Fa na ny tenanay, na anjely avy any an-danitra aza, ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorinay taminareo, dia aoka ho voaozona izy. 9 Efa voalazanay taloha izany, sady mbola averiko indray ankehitriny, fa raha misy olona mitory aminareo Evanjely hafa noho izay noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy. 10 Ary ankehitriny, olombelona ve no ilàko sitraka sa Andriamanitra? Moa ny hamalifaly ny olombelona va no kendreko? Raha mbola mila sitraka amin'olombelona koa aho, dia tsy mpanompon'ny Kristy akory. 11 Ampafantariko anareo, ry rahalahy, fa ny Evanjely izay notoriko taminareo, dia tsy mba avy amin'olombelona;

12 fa tsy tamin'olombelona no nandraisako na nianarako azy, fa tamin'ny fanambaran'i Jesoa-Kristy. 13 Efa renareo ihany ny toetrako fony aho mbola nanaraka ny fivavahan'ny Jody, fa nanenjika fatratra ny Eglizin'Andriamanitra sy nandrava azy aho; 14 ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jody mihoatra noho ny maro indray nihira tamiko teo amin'ny fireneko aho, sady fatra-pitàna ny lovan-tsofina avy amin'ny razako. 15 Nefa, nony sitrak'Andriamanitra ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin'ny fahasoavany,

16 ny hanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako azy any amin'ny jentily, niaraka tamin'izay, dia tsy naka hevitra tamin'ny nofo aman-drà aho, 17 na niakatra tany Jerosalema ho any amin'ny Apostoly talohako akory, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damasa indray. 18 Efa telo taona taty aorian'izany, vao niakatra hamangy an'i Piera tany Jerosalema aho, sy nitoetra tao aminy tapa-bolana. 19 Fa ny Apostoly sasany, dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba rahalahin'ny Tompo ihany. 20 Izao zavatra lazaiko soratako aminareo izao anie, dia lazaiko marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa tsy mandainga aho! 21 Taorian'izany dia nankany amin'ny faritanin'i Siria sy Silisia aho.

22 Tsy mbola nisy nahita tava ahy akory ny Eglizy rehetra tany Jodea ao amin'ny Kristy; 23 fa vao ny lazako fotsiny no reny hoe: Ilay nanenjika antsika fahiny, dia indro ankehitriny, mitory ny finoana notadiaviny hofoanana taloha. 24 Ka dia ny mankalaza an'Andriamanitra noho ny amiko no nataony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0854