Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Galata toko 1, 6-12,

       <6Gaga aho raha dia mivadika faingana toy izao hianareo, ka ilay niantso anareo ho amin'ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray. 7Tsy dia hoe misy Evanjely hafa akory anie, fa ny Evanjelin'ny Kristy ihany no tadiavin'ny sasany hovana, mba hampitabataba anareo fotsiny! 8Fa na ny tenanay, na anjely avy any an-danitra aza, ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorinay taminareo, dia aoka ho voaozona izy. 9Efa voalazanay taloha izany, sady mbola averiko indray ankehitriny, fa raha misy olona mitory aminareo Evanjely hafa noho izay noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy. 10Ary ankehitriny, olombelona ve no il├áko sitraka sa Andriamanitra? Moa ny hamalifaly ny olombelona va no kendreko? Raha mbola mila sitraka amin'olombelona koa aho, dia tsy mpanompon'ny Kristy akory.
       11Ampafantariko anareo, ry rahalahy, fa ny Evanjely izay notoriko taminareo, dia tsy mba avy amin'olombelona; 12fa tsy tamin'olombelona no nandraisako na nianarako azy, fa tamin'ny fanambaran'i Jesoa-Kristy. >