Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko faha-4

1 Ary izao, hoy aho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy misy hafa noho ny mpanompo, na dia izy aza no tompon'ny zavatra rehetra;

2 fa fehezin'ny mpitaiza sy ny mpitandrina azy izy, mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy. 3 Toy izany koa isika: fony mbola zaza, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao isika; 4 fa rahefa feno ny andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin'ny Lalàna, 5 mba hanafaka izay teo ambanin'ny Lalàna, sy handraisantsika ny fananganan-janaka. 6 Ary noho ny maha-zanaka anareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ao anatin'ny fonareo ny Fanahin'ny Zanany, ka miantso hoe: Aba, Ray! 7 Koa tsy mpanompo intsony àry hianareo, fa zanaka, ary rahefa zanaka dia mpandova koa, noho ny ataon'Andriamanitra. 8 Teo aloha, fony tsy mbola nahalala an'Andriamanitra hianareo, dia nanompo andriamanitra tsy izy tokoa.

9 Fa ankehitriny kosa efa nahalala an'Andriamanitra hianareo (na hoe: Andriamanitra no nahalala anareo), ka ahoana no dia ireny fampianarana malemy sy tsy misy na inona na inona ireny indray no iverenanareo sy tianareo hotompoina? 10 Mbola manaraka tonon'andro amam-bolana, ary taona amam-potoana hianareo! 11 Matahotra aho ny aminareo, fa sao dia sasa-poana taminareo. 12 Mihanta aminareo aho, ry rahalahy, aoka ho tahaka ahy hianareo, fa izaho koa mba efa tahaka anareo ihany. Tsy naninon-tsy naninona ahy akory hianareo.

13 Fony aho vao nitory voalohany ny Evanjely tany aminareo, dia hitanareo ny halemen'ny nofoko, ary tonga fakam-panahy ho anareo izany; 14 nefa tsy mba naneso na nihataka tamin'izany hianareo, fa vao mainka koa nandray ahy toy ny anjelin'Andriamanitra na tahaka ny Kristy Jesoa aza. 15 Koa lasa nankaiza àry ilay fankamamianareo ahy nahasambatra anareo? Fa izaho no vavolombelonareo fa raha azo natao, na dia ny masonareo aza, dia ho nombotanareo homena ahy fahizany. 16 Sa dia tonga fahavalonareo indray aho, fa nilaza ny marina taminareo? 17 Tsy rariny ny ataon-dry zareo mila fitia aminareo, fa tadiaviny hihataka aminay hianareo, mba hiraiketanareo aminy kosa. 18 Tsara izany ilan'olona fitia, raha amin'ny zavatra tsara, mandrakariva anefa fa tsy hoe raha eo aminareo ihany aho. 19 Anaka, aminareo aho dia mijaly hoatra ny mihetsi-jaza indray, mandra-paharin'ny Kristy ao anatinareo. 20 Endrey izany faniriako ho eo aminareo ankehitriny, sy hanova ny feoko, fa mahasanganehana ahy loatra ny aminareo. 21 Etsy ange, hianareo izay te-ho eo ambanin'ny Lalàna e: tsy renareo va ny vakin'ny Lalàna?

22 Voasoratra ao fa nanan-janaka roa lahy i Abrahama, ny iray tamin'ny andevovavy, ary ny iray tamin'ny olona afaka. 23 Ilay zanak'andevovavy, nateraka araka ny nofo; ary ilay zanak'olona afaka, araka ny fampanantenana. 24 Ohatra amin'ny fanekena roa izy roa vavy ireo: ny iray moa, avy amin'ny tendrombohitr'i Sinai, miteraka ho amin'ny fanandevozana, dia Agara izany 25 (satria Agara no fiantso ny tendrobohitr'i Sinai any Arabia), ary Agara dia ohatra amin'i Jerosalema ankehitriny, fa samy andevo izy sy ny taranany. 26 Fa Jerosalema any ambony izay renintsika kosa, dia tsy mba andevo; 27 fa voasoratra hoe: Mifalia, ry momba, dia hianao izay tsy niteraka! Miantsoa mafy amin-kafaliana sy firavoravoana, hianao izay tsy mbola nihetsi-jaza! Fa ny zanaky ny mananotena no maro noho ny an'izay manam-bady! 28 Isika, ry rahalahy, no zanaky ny fampanantenana toa an'Isaaka.

29 Fahizany anefa, ilay zanaka araka ny nofo dia nanenjika ny zanaka araka ny fanahy, ary toraka izany ihany koa ankehitriny. 30 Saingy ahoana hoy ny Soratra Masina? Roahy io andevovavy io sy ny zanany, fa tsy hiray lova amin'izay zanak'andevo ny zanak'olona afaka. 31 Koa amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevo isika, fa zanak'olona afaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1023