Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Galata toko 5
Tsy ilaina ny famorana sy ny fomba taloha - Ny asan'ny nofo sy ny asan'ny Fanahy.

       1Efa navotan'ny Kristy ho amin'ny fahafahana isika, ka mijoroa amin'izany, fa aza mety hampidirina amin'ny jiogan'ny fanandevozana intsony. 2Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforana hianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza ny Kristy. 3Eny, averiko indray amin'ny olona rehetra manaiky hoforana fa vao mainka koa voafehy hanatanteraka ny Lalàna rehetra aza izy. 4Fa tafasaraka amin'ny Kristy hianareo rehetra mitady fahamarinana amin'ny Lalàna, ka lavo niala tamin'ny fahasoavana hianareo. 5Izahay kosa dia amin'ny Fanahy sy noho ny finoana no iandrasanay ny fanantenana ny fahamarinana; 6satria ao amin'ny Kristy Jesoa dia tsy mampaninona izay famorana na tsy famorana, fa ny finoana ampiasain'ny fitiavana ihany no izy.
       7Efa nihazakazaka tsara hianareo, ka iza indray no dia nisakana anareo tsy hanaiky ny marina? 8Tsy mba avy amin'ilay niantso anareo anie izany fanambosiana izany e! 9Lalivay kely foana no mampivonto ny koban-dafarina manontolo. 10Matoky anareo ao amin'ny Tompo aho fa tsy hanan-kevitra hafa hianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hianjeran'ny nataony, na iza na iza izy. 11Ary raha ny amiko, ry rahalahy, raha marina fa mbola mitory ny famorana koa aho, ahoana indray no mbola anenjehana ahy? Foana izany ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana! 12Enga anie ka hanakilema tena mihitsy ireny mpanabataba anareo ireny!
       13Efa voantso ho amin'ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon'ny namany avy. 14Fa ny Lalàna rehetra dia ao anatin'ny teny tokana hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 15Fa raha mifandramatra sy mifampihinana hianareo, tandremo fandrao mifandringana.
       16Izao àry no lazaiko: Mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filan'ny nofo hianareo. 17Fa ny nofo manam-pilana mifanohitra amin'ny an'ny fanahy, ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin'ny an'ny nofo: koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo hianareo. 18Raha tarihin'ny Fanahy anefa hianareo, dia tsy mba ambanin'ny Lalàna intsony. 19Ary miharihary ny asan'ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, 21fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.
       22Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana, 23fahalemem-panahy, fahalalana onona: tsy misy izay Lalàna mikasika an'ireo. 24Izay an'ny Kristy Jesoa dia efa namantsika ny nofony mbamin'ny faniriana amam-pilan-dratsiny tamin'ny hazo fijaliana. 25Velona amin'ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin'ny Fanahy; 26fa aza te-hoderaina foana amin'izay fifampilàna kisa amam-pifampialonana. >