Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Habakòka

Habakòka toko 1
Fanontaniana nampitebiteby ny mpaminany: nahoana ny ratsy fanahy no mandresy sy mandoza ny marina? - Filazana ny tafiky ny Kaldeana - Averiny ny fanontaniana, ary andrasana ny valy izay omen'Andriamanitra azy.

       1Teny fitsarana izay nahazoan'i Habakòka mpaminany fahitana.
       2Iaveh ô, mandra-pahoviana no hiantsoako anao,
nefa tsy mihaino ahy ihany hianao,
ary hitaraina aminao aho hoe: fahasiahana!
nefa tsy vonjenao ihany aho?
       3Nahoana aho no ataonao mahita ny tsy fahamarinana
ary hianao mijery ny fahoriana?
Fa fandravana amam-pahasiahana no eo anatrehako;
misy fifandirana ary mitranga ny tsy fifanarahana,
       4noho izany maty ny lalàna,
ary tsy mahita mangirana ny fahamarinana;
fa solokin'ny ratsy fanahy ny marina,
ka rariny mivaona no mivoaka.
       5Topazo maso ireo firenena ka zahao;
dia migagà sy mitalanjòna.
Fa indro aho amin'ny andronareo hanao zavatra,
izay tsy hinoanareo raha olona no mitantara aminareo.
       6Satria indro aho hamoky ny Kaldeana,
firenena masiaka sy mirehidrehitra,
izay mandroso ho any amin'ireo tany midadasika be
mba haka fonenana izay tsy azy.
       7Mahatsiravina sy mahatahotra izy;
ary avy amin'ny tenany ihany ny fahefany amam-pahalehibeazany.
       8Mailaka noho ny leoparda ny soavaliny,
sady liana noho ny amboadia amin'ny hariva.
Mampiriotra ny mpitaingin-tsoavaliny;
avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny,
manidina toy ny voromahery lian-te-hihinana.
       9Tonga mba hanao hasiahana avokoa izany firenena izany;
ny masony feno halianana mijery any alohany any;
manangona babo toy ny fasika izy.
       10Izay io dia mihomehy izay mpanjaka,
mihanihany izay mpanapaka;
ny trano mimanda rehetra ihomehezany,
vovo-tany no asavovony dia afany ireny.
       11Dia mandroso ny tafio-drivotra ka mihoatra,
ary izy mahazo heloka;
ny herin'ny tenany dia izay no andriamaniny!
       12Moa tsy hatramin'ny fiandohana va hianao, ry Iaveh, Andriamanitro, ilay masiko?
Tsy ho faty izahay.
Iaveh ô, ny nanorenanao izany vahoaka izany dia hahatanteraka ny rariny,
ny mba hamay no nanaovanao mafy orina azy, ry Vatolampiko.
       13Ny masonao madio loatra, tsy hahajery ny ratsy;
ary hianao tsy mety mibanjina ny fahoriana.
Ka nahoana no hojerenao fotsiny ireo mpamitaka ;
ary hangina hianao, raha mihinana ny marina noho izy, ny ratsy fanahy ?
       14Hataonao toy ny hazan-dranomasina va ny olombelona,
sy toy ny biby mandady tsy manan-dehibe?...
       15Fa alainy amin'ny fintana izany rehetra izany,
sy sarihany amin'ny haratony,
ary angoniny amin'ny harato tarihina,
ka dia mifaly sy mientan-karavoana izy.
       16Ka noho izany, izy manao sorona ho an'ny haratony,
sy manatitra emboka manitra ho an'ny harato tarihiny;
satria ireo no ahazoany anjara hanina matavy sy sakafo matsiro.
       17Hitohy mandrakariva va ny fandoarany ny ao amin'ny haratony,
sy ny famonoany, tsy ananany antra, ny firenena? >