Bokin'i Habakòka
Toko faha-3
1 Vavaka nataon'i Habakòka, mpaminany. Araka ny fomban-dahateny ditirambika.2 Iaveh ô, nandre izay nampandrenesinao aho, dia raiki-tahotra aho, Iaveh ô! Velomy ny asanao amin'ny taona mifandimby; ataovy fantatra amin'ny taona mifandimby izy. Na eo amin'ny hatezeranao aza, mahatsiarova ny hamindra fo.
3 Tamy avy any Temàna Andriamanitra, ary avy any an-tendrombohitra Faràna ilay Masina (Selà). Nanarona ny lanitra ny fiandrianany; ary nameno ny tany ny voninahiny.
4 Toy ny fahazavan'ny masoandro miposaka ny famirapiratany; misy tana-masoandro avy eo amin'ny tànanay; ao no ieren'ny heriny.
5 Mandeha eo anoloany ny fandripahana; ary manaraka ny diany ny tazo mahamay.
6 Nijanona izy, ka nampihorohoro ny tany; nijery izy ka nampihozongozona ny firenena; torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, nietry ny havoana fahagola; ny làlany taloha no narahany.
7 Hitako latsaka am-pahoriana, ny lain'i Kosana, ary mihorohoro ny lay amin'ny tanin'i Moaba.
8 Amin'ny ony va no mahatezitra an'ny Tompo? sa amin'ny ony no irehetran'ny fahatezeranao? amin'ny ranomasina no mampisafoaka anao, raha ilay mitaingina ny soavalinao iny hianao, raha mitaingina ny kalesim-pamonjenao?
9 Ny tsipìkanao miseho miharihary; ny zana-tsipìkanao dia ireo fianianana voatononao (Selà). Ataonao mivava ny tany ho ranon-driaka.
10 Nahita anao ny tendrombohitra ka mangovitra, nisy rambon-dranitra nandalo, niloa-peo ny hantsana sady nananga-tànana mankany ambony.
11 Tafajanona eo amin'ny fitoerany ny masoandro amam-bolana; ka ny fanjelanjelatry ny zana-tsipìkanao no andehanan'ny olona, sy ny fahazavan'ny lefonao mamirapiratra.
12 Mitetitety ny tany amim-pahatezerana hianao, hitsahanao amim-pahavinirana ny firenena.
13 Nivoaka hamonjy ny olonao hianao, hanafaka an'ilay Voahosotrao; notapahanao ny vovonan'ny tranon'ny ratsy fanahy, nahariharinao hatrany ambany ny fiorenany (Selà).
14 Notrobaranao tamin'ny zana-tsipìkany ihany, ny lohan'ireo antokon'olony, izay nibosesika hamely ahy, tamim-panaovana hobin-kafaliana toy ny efa handevona ny ory ao amin'ny fieren'izy ireo.
15 Hitsahanao amin'ny tongo-tsoavalinao ny ranomasina, ny fitambaran'ny rano be.
16 Vao nandre aho dia nivadika ny tsinaiko; mipararetra amin'izany feo izany ny molotro, idiran'ny fahalovana ny taolako, mangovitra ny lohaliko eo ambaniko, noho ny tsy maintsy hiandrasako amim-piadanana ny andro mahory, izay hiakaran'ny fahavalo hampahory ny vahoaka anankiray.
17 Satria amin'izany ny aviavy tsy hamontsina, ny voaloboka tsy hisy hotoazana; ny oliva tsy hisy voany; ary ny saha tsy hahavoka-kanina; tsy hisy hita intsony ao amin'ny vala ny ondry ary ny fahitra tsy hisy omby intsony.
18 Fa izaho dia te-hiravoravo amin'ny Tompo, te-hientan-kafaliana amin'ny Andriamanitry ny famonjena ahy.
19 Iaveh Tompo no heriko; ataony toy ny an'ny serfavavy ny tongotro, ary ampandehaniny eny amin'ny fitoerako avo aho. Ho an'ny filohan'ny mpihira, amin'ny zava-manenoko tendrena.