Bokin'i Habakòka

Toko voalohany

1 Teny fitsarana izay nahazoan'i Habakòka mpaminany fahitana.

2 Iaveh ô, mandra-pahoviana no hiantsoako anao, nefa tsy mihaino ahy ihany hianao, ary hitaraina aminao aho hoe: fahasiahana! nefa tsy vonjenao ihany aho?

3 Nahoana aho no ataonao mahita ny tsy fahamarinana ary hianao mijery ny fahoriana? Fa fandravana amam-pahasiahana no eo anatrehako; misy fifandirana ary mitranga ny tsy fifanarahana,

4 noho izany maty ny lalàna, ary tsy mahita mangirana ny fahamarinana; fa solokin'ny ratsy fanahy ny marina, ka rariny mivaona no mivoaka.

5 Topazo maso ireo firenena ka zahao; dia migagà sy mitalanjòna. Fa indro aho amin'ny andronareo hanao zavatra, izay tsy hinoanareo raha olona no mitantara aminareo.

6 Satria indro aho hamoky ny Kaldeana, firenena masiaka sy mirehidrehitra, izay mandroso ho any amin'ireo tany midadasika be mba haka fonenana izay tsy azy.

7 Mahatsiravina sy mahatahotra izy; ary avy amin'ny tenany ihany ny fahefany amam-pahalehibeazany.

8 Mailaka noho ny leoparda ny soavaliny, sady liana noho ny amboadia amin'ny hariva. Mampiriotra ny mpitaingin-tsoavaliny; avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny, manidina toy ny voromahery lian-te-hihinana.

9 Tonga mba hanao hasiahana avokoa izany firenena izany; ny masony feno halianana mijery any alohany any; manangona babo toy ny fasika izy.

10 Izay io dia mihomehy izay mpanjaka, mihanihany izay mpanapaka; ny trano mimanda rehetra ihomehezany, vovo-tany no asavovony dia afany ireny.

11 Dia mandroso ny tafio-drivotra ka mihoatra, ary izy mahazo heloka; ny herin'ny tenany dia izay no andriamaniny!

12 Moa tsy hatramin'ny fiandohana va hianao, ry Iaveh, Andriamanitro, ilay masiko? Tsy ho faty izahay. Iaveh ô, ny nanorenanao izany vahoaka izany dia hahatanteraka ny rariny, ny mba hamay no nanaovanao mafy orina azy, ry Vatolampiko.

13 Ny masonao madio loatra, tsy hahajery ny ratsy; ary hianao tsy mety mibanjina ny fahoriana. Ka nahoana no hojerenao fotsiny ireo mpamitaka ; ary hangina hianao, raha mihinana ny marina noho izy, ny ratsy fanahy ?

14 Hataonao toy ny hazan-dranomasina va ny olombelona, sy toy ny biby mandady tsy manan-dehibe?...

15 Fa alainy amin'ny fintana izany rehetra izany, sy sarihany amin'ny haratony, ary angoniny amin'ny harato tarihina, ka dia mifaly sy mientan-karavoana izy.

16 Ka noho izany, izy manao sorona ho an'ny haratony, sy manatitra emboka manitra ho an'ny harato tarihiny; satria ireo no ahazoany anjara hanina matavy sy sakafo matsiro.

17 Hitohy mandrakariva va ny fandoarany ny ao amin'ny haratony, sy ny famonoany, tsy ananany antra, ny firenena?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0501