Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko voalohany

1 Fahiny, tamin'ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin'ny razantsika Andriamanitra, tamin'ny vavan'ny mpaminany;

2 fa amin'izao andro farany izao kosa indray, dia tamin'ny Zanany no nitenenany tamintsika, dia ilay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, sy nahariany an'izao tontolo izao. 3 Io Zanany io izay famirapiratan'ny voninahiny, sy mariky ny tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny, dia mipetraka eo an-kavanan'ny fiandrianany masina any amin'ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika, 4 ka natao ambonin'ny anjely, arakaraka ny fahambonian'anarana nolovany, fa tsy tahaka ny azy ireo. 5 Fa anjely iza no mba nilazan'Andriamanitra hoe: Zanako hianao, izaho no niteraka anao androany? sy ny hoe: Izaho no Rainy, ary izy ho Zanako?

6 Ary rahefa mampiditra ny Lahimatoa atý ambonin'ny tany indray izy, dia manao hoe: Aoka hitsaoka azy ny anjelin'Andriamanitra rehetra. 7 Ny anjely lazainy hoe: Nanao ny anjeliny ho rivotra izy, ary ny mpanompony ho lelafo; 8 fa ny Zanaka kosa ataony hoe: Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria, ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao. 9 Tia ny fahamarinana hianao, fa mankahala ny heloka kosa, ka nohosoran'Andriamanitra, izay Andriamanitrao, diloilom-pifaliana mihoatra noho ny namanao rehetra. 10 Ary izao koa: Hianao, Tompo ô, no nanorina ny tany tamin'ny voalohany, ary asan-tànanao ny lanitra. 11 Izy ireo ho levona, fa hianao haharitra; ho tonta toy ny fitafiana izy, 12 ary havalonao toy ny lamba, ka hovàna avokoa; fa hianao no tsy miova, ary ny taonanano no tsy ho tapitra. 13 Ary iza tamin'ny anjely no nataony hoe: Mipetraha eo an-kavanako, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao? 14 Moa tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova ny famonjena?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2548