Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Hebrio toko 10, 4-10.
<4satria aiza izay ran-janak'omby sy ran'osilahy no hahafaka ny fahotana? 5Noho izany indrindra, nony niditra tamin'izao tontolo izao ny Kristy dia nanao hoe: Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho ahy hianao; 6tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota, 7ka hoy aho hoe: Inty aho tonga - fa izaho no voalaza ao amin'ny horonam-boky - hanao ny sitra-ponao, Andriamanitra ô! 8Voalohany aloha lazainy hoe: Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana, na ny sorona noho ny ota, - dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; - 9manaraka izany tohiziny hoe: Inty aho tonga hanao ny sitra-ponao; ka manafoana ny voalohany izy amin'izany mba hanorenany ny faharoa, 10ary ny herin'izany sitra-po izany no nanamasinana antsika, tamin'ny nanoloran'i Jesoa-Kristy ny vatany indray mandeha monja. >