Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio
Toko faha-10
11 Ary ny mpisorona rehetra dia mijoro isan'andro hanao ny raharahany, sy manolotra matetika ireny sorona tsy nahafa-pahotana akory ireny;12 fa izy kosa indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota, dia mipetraka mandrakizay eo an-kavanan'Andriamanitra; 13 ka hatramin'izao izy dia miandry ny hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony rahatrizay. 14 Fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy. 18 ka rahefa voavela ny fahotana, dia tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota.