Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Hebrio toko 10, 32-39,

       <32Tsarovy ny andro fahiny, niaretanareo ady mafy tamim-pijaliana, nony efa nohazavaina hianareo; 33fa mbetika nalam-baràka sy nampahoriana hianareo sady naseho ho fizàhan'ny olona; mbetika kosa niaraka ory tamin'izay nampijalina toy izany. 34Fa sady nangoraka izay nifatotra hianareo no nanaiky an-kafaliana ny fandrobana ny fanananareo, satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sy maharitra mandrakizay hianareo. 35Koa aza miala amin'ny fahasahianareo, fa misy valiny lehibe izany. 36Ilainareo tokoa ny faharetana, mba hahazoanareo izay nampanantenaina anareo, rahefa nanao ny sitra-pon'Andriamanitra hianareo. 37Raha afaka kelikely foana, dia ho tonga ilay ho avy, fa tsy hiatoato izy. 38Ary ny oloko marina ho velona amin'ny finoana, fa izay mihataka kosa tsy mba ankasitrahan'ny foko. 39Raha isika, dia tsy mba anisan'izay mihataka ho very isika, fa naman'ireo mino mba hamonjy fanahy. >