Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio
Toko faha-12
4 Hianareo tsy mbola niady nanohitra ny ota hatramin'ny fahalatsahan'ny ranareo,5 ary efa hadinonareo ny fananarana milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: Anaka, aza mba ketraka amin'ny fananarany anao; 6 fa izay tian'ny Tompo no faiziny, ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny. 7 Fampianarana ho anareo ny fikapohany; fa toy ny zanaka no itondran'Andriamanitra anareo, ka iza no zanaka tsy faizin'ny rainy? 11 Marina fa mampahory amin'ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an'izay nandray azy izy. 12 Koa henjano ny tànana miraviravy sy ny lohalika miketraka; 13 ary ahitsio ny dian'ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. 14 Mitadiava fihavanana amin'ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo.
15 Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan'Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro.