Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Hebrio toko 12, 5-13
<5ary efa hadinonareo ny fananarana milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: Anaka, aza mba ketraka amin'ny fananarany anao; 6fa izay tian'ny Tompo no faiziny, ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny. 7Fampianarana ho anareo ny fikapohany; fa toy ny zanaka no itondran'Andriamanitra anareo, ka iza no zanaka tsy faizin'ny rainy? 8Raha tsy faizina toy ny zanaka rehetra hianareo, dia tsy mba zanaka fa zaza sary. 9Ary na ny raintsika ara-batana aza nohajaintsika na dia nikapoka antsika aza; vao mainka ny Raintsika ara-panahy no tsy maintsy ekentsika mba ho velona isika. 10Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitra-pony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin'ny fahamasinany. 11Marina fa mampahory amin'ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an'izay nandray azy izy. 12Koa henjano ny tànana miraviravy sy ny lohalika miketraka; 13ary ahitsio ny dian'ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. >