Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-13

1 Mahareta amin'ny fitiavana ny rahalahy.

2 Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny, fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano anjely, nefa tsy nahalala azy. 3 Tsarovy izay mifatotra, aoka ho toy ny miara-mifatotra aminy hianareo; ary izay ampahorina koa, fa mbola ao anatin'ny nofo koa hianareo. 4 Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian'ny mpivady, fa hohelohin'Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona.

5 Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin'izay anananareo, fa tenin'Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao aho, na hahafoy anao akory;

6 ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon'ny olona atao amiko? 7 Tsarovy ny mpitondra anareo, izay nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; diniho ny niafaran'ny fiainany, ka alao tahaka ny finoany;

8 Jesoa-Kristy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. 9 Aza mety havilin'ny fampianarana samihafa hianareo, fa aleo mampiorina ny fo amin'ny fahasoavana toy izay amin'ny hanina izay tsy mahasoa ny miraiki-po aminy. 10 Manana otely tsy azon'ny mpivavaka ao an-tranolay ihinanana isika. 11 Satria izay biby entin'ny mpisorombe ao amin'ny fitoerana masina ny rany hatao fanatitra noho ny ota, dia dorana any ivelan'ny toby ny fatiny. 12 Ary toy izany koa ny nijalian'i Jesoa tany ivelan'ny vavahady, mba hanamasinany ny olona amin'ny rany. 13 Koa mba hankanesantsika any aminy, dia aoka hivoaka any ivelan'ny toby isika, sy hitondra ny latsa nentiny. 14 Fa fonena-mandalo no antsika ety an-tany, fa mitady ny ho avy isika. 15 Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an'Andriamanitra amin'ny alalany mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza azy. 16 Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahan'Andriamanitra. 17 Maneke ny lehibenareo, ary ankatoavy ny teniny, fa miambina ny fanahinareo toy ny olona mbola hampamoahina izy ireo, - mba ho an-kafaliana no hanaovany an'izany, fa tsy ho amin'alahelo, fa tsy mahasoa anareo izany.

18 Mivavaha ho anay, fa te-hanao tsara amin'ny zavatra rehetra izahay, ary matoky fa marina ny hitsim-ponay.

19 Ny angatahako ny hanaovanareo izany indrindra anefa, dia ny mba hiverenako any aminareo faingampaingana. 20 Ary enga anie ka ny Andriamanitry ny fiadanana, izay nanatsoaka tamin'ny fahafatesana an'ilay Mpiandry ondry lehibe noho ny ran'ny fanekena mandrakizay, dia Jesoa Tompontsika, 21 no hanomana anareo amin'ny asa soa rehetra, mba hanatanterahanareo ny sitra-pony, amin'ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy: ho azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. 22 Mangataka aminareo aho, ry rahalahy, mba hankasitraka ity teny fananarana ity; fa teny fohifohy ihany no nosoratako ho anareo.

23 Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timote rahalahintsika; ka raha tonga faingampaingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho. 24 Veloma any amin'ny lehibenareo rehetra, sy ny olo-masina rehetra. Manao veloma anareo koa ny rahalahy aty Italia. 25 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.103