Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Hebrio toko 1, 1-6,
Tena Zanak'Andriamanitra Jesoa-Kristy ka ambony lavitra noho ny anjely.

       1Fahiny, tamin'ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin'ny razantsika Andriamanitra, tamin'ny vavan'ny mpaminany; 2fa amin'izao andro farany izao kosa indray, dia tamin'ny Zanany no nitenenany tamintsika, dia ilay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, sy nahariany an'izao tontolo izao. 3Io Zanany io izay famirapiratan'ny voninahiny, sy mariky ny tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny, dia mipetraka eo an-kavanan'ny fiandrianany masina any amin'ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika, 4ka natao ambonin'ny anjely, arakaraka ny fahambonian'anarana nolovany, fa tsy tahaka ny azy ireo.
       5Fa anjely iza no mba nilazan'Andriamanitra hoe: Zanako hianao, izaho no niteraka anao androany? sy ny hoe: Izaho no Rainy, ary izy ho Zanako? 6Ary rahefa mampiditra ny Lahimatoa atý ambonin'ny tany indray izy, dia manao hoe: Aoka hitsaoka azy ny anjelin'Andriamanitra rehetra. >