Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-2

1 Noho izany, tsy maintsy mikely aina hitandrina tsaratsara kokoa izay efa rentsika isika, fandrao dia voatarika hiala amin'izany.

2 Fa raha ny teny nampilazaina ny anjely aza, nanan-kery ka nahazoan'izay rehetra nandika sy tsy nanaiky sazy tandrifin'azy avy, 3 hataontsika ahoana no fandositra raha tsy asiantsika raharaha ny famonjena lehibe toy izany, izay nambaran'ny tenan'ny Tompo aloha, ka izay nandre taminy no nanorina azy mafy tamintsika, 4 sady Andriamanitra koa efa nankatò azy tamin'ny famantarana sy fahagagana, ary tamin'ny asa lehibe samihafa mbamin'ny fanomezana nozarazarain'ny Fanahy Masina araka ny sitra-pony? 5 Eny tokoa, tsy mba anjely no nametrahan'Andriamanitra eo ambaniny izao fiainan-ko avy lazainy izao.

6 Fa amin'ny andininy anankiray any ho any misy koa filazana manao hoe: Inona moa ny olombelona no ahatsiarovanao azy; ary izay zanak'olombelona no amangianao azy? 7 Nataonao ambany vetivety noho ny anjely izy; dia nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana ary napetrakao ambonin'ny asan-tànanao, 8 ka nataonao eo ambany tongony ny zavatra rehetra. Raha nametraka ny zavatra rehetra teo ambaniny izy, dia tsy nisy zavatra navelany tsy eo ambaniny mihitsy. Fa izao anefa tsy mbola hitantsika natao ambaniny avokoa ny zavatra rehetra; 9 fa ilay natao ambany vetivety noho ny anjely, dia izay Jesoa no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan'Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra izy. 10 Fa mendrika an'ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra, izay mitondra zanaka betsaka ho any amin'ny voninahitra, ny nandavorary ao amin'ny fijaliana ilay ihavian'ny famonjena an'ireo.

11 Satria fototra iray ihany no nihavian'izy rehetra, na ny manamasina na ny hamasinina, àny ka tsy mahamenatra azy ny miantso azy ireo hoe rahalahy, araka ny teniny hoe: 12 Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho, hankalaza anao eo afovoan'ny Eglizy aho; 13 sy ny hoe: Izaho hatoky azy; ary ny hoe: Inty aho sy ireo zaza nomen'Andriamanitra ahy. 14 Koa satria mana-nofo aman-drà ny zaza, dia mba naka izany koa izy, handringanany amin'ny fahafatesany ilay manana ny fanjakan'ny fahafatesana, dia ny demony,

15 sy hanafahany an'izay rehetra niharan'ny fanandevozana nandritra ny andro rehetra niainany noho ny tahotra ny fahafatesana. 16 Na aiza na aiza tsy mba anjely no vonjeny, fa ny taranak'i Abrahama no vonjeny. 17 Ka izany no tsy maintsy nanaovana azy mitovy amin'ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra, mba ho tonga be famindram-po izy sy Mpisorona mahatoky ny amin'Andriamanitra, hanaovany sorom-pifonana noho ny otan'ny olona; 18 fa noho ny tenany nalaim-panahy sy nijaly indrindra no ahavonjeny izay alaim-panahy koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0991