Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio
Toko faha-2
9 fa ilay natao ambany vetivety noho ny anjely, dia izay Jesoa no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan'Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra izy. 10 Fa mendrika an'ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra, izay mitondra zanaka betsaka ho any amin'ny voninahitra, ny nandavorary ao amin'ny fijaliana ilay ihavian'ny famonjena an'ireo.11 Satria fototra iray ihany no nihavian'izy rehetra, na ny manamasina na ny hamasinina, àny ka tsy mahamenatra azy ny miantso azy ireo hoe rahalahy, araka ny teniny hoe: