Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-5

1 Fa rahefa mety ho mpisorombe ka alaina amin'ny olona, dia tendrena ho solon'ny olona amin'ny fifampiraharahany amin'Andriamanitra, mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota,

2 sady mahay miantra ny tsy mahalala sy ny mania izy, satria na ny tenany aza mba voan'ny fahalemena ihany koa, 3 ka noho izany fahalemeny izany, tsy maintsy manao sorona ho an'ny tenany, toy ny ataony ho an'ny vahoaka ihany koa izy. 4 Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany, afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra tahaka an-dry Aarona ihany. 5 Dia toy izany koa ny Kristy, fa tsy izy no nanandra-tena ho mpisorombe, fa ilay nanao taminy hoe: Zanako hianao, izaho no niteraka anao androany; 6 sy nilaza amin'ny teny hafa koa hoe: Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban'i Melkisedeka. 7 Tamin'ny andron'ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin'ilay nahavonjy azy tamin'ny fahafatesana izy sady nohenoiny noho ny fahatahorany an'Andriamanitra, 8 dia nianatra ny fanekena tamin'ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza; 9 ary ankehitriny, efa tonga amin'izay fanaperana izy, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an'izay manaiky azy, 10 fa antsoin'Andriamanitra hoe: Mpisorombe araka ny fomban'i Melkisedeka. 11 Maro ny zavatra azonay lazaina momba izany, saingy sarotra hohazavaina aminareo, noho hianareo votsa fandray zavatra.

12 Satria, na dia efa tokony ho mpampianatra hatramin'ny ela aza hianareo, dia mbola mila ny hampianarina ny abidim-pianaran'ny tenin'Andriamanitra ihany, ka ronono no mbola ilainareo noho ny ventin-kanina. 13 Ary izay mbola ronono no ivelomany, dia tsy mahazaka ny tenim-pahamarinana, satria mbola zaza. 14 Fa ny olon-dehibe no sahaza ny ventin-kanina, dia ireo efa zatra nampiasa ny sainy hanavaka ny tsara sy ny ratsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1074