Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-8

1 Fa izao no tampon'ny zavatra lazaina amin'izao, dia ny ananantsika Mpisorombe toy izany, izay mipetraka eo an-kavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo indrindra any an-danitra,

2 mpandraharaha ao amin'ilay tena fitoerana masina sy tena tranolay tsy naorin'olona, fa naorin'ny Tompo. 3 Satria ny mpisorombe rehetra, dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona, ka tsy maintsy mba manan-katolotra koa izy. 4 Raha ety an-tany, dia tsy mba ho mpisorona akory izy, satria misy rahateo izay manolotra fanatitra araka ny Lalàna; 5 ireo dia sary sy tandindon'ny any an-danitra fotsiny no fanompoana ataony araka ny natoron'Andriamanitra an'i Moizy ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe: Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra. 6 Fa ny azy kosa dia fandraharahana ambony lavitra, fa Mpanalàlana amin'ny fanekena tsaratsara kokoa sy miankina amin'ny fampanantenana ambony kokoa. 7 Eny tokoa, satria raha tsy nisy tsininy ny fanekena voalohany, dia tsy nisy antony hanoloan'ny faharoa azy akory.

8 Fa mova tsy ny manome tsiny azy rehetra Andriamanitra no miteny toy izao: Indro, hoy ny Tompo, ho avy ny andro hanaovako fanekena vaovao amin'ny fianakavian'Israely sy ny fianakavian'i Jodà; 9 tsy mba fanekena tahaka ny nataoko tamin'ny razan'izy ireo, tamin'ny andro nitantanako sy nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta, izay fanekena tsy naharetany ka nandaozako azy, hoy ny Tompo; 10 fa fanekena toy izao kosa no hataoko amin'ny fianakavian'Israely, rahefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo: Halatsako ao an-tsainy ny lalàko, ary hosoratako ao am-pony; ka izaho ho Andriamanitr'izy ireo, ary izy kosa ho vahoakako. 11 Dia tsy hisy hampianatra ny namany intsony izy, na hanao amin'ny rahalahiny hoe: Mahalalà an'Andriamanitra. Fa samy hahalala ahy avokoa izy rehetra, hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra. 12 Satria havelako ny hadisoany, ary tsy hotsaroako ny fahotany. 13 Manambara ny voalohany ho efa antitra izy, amin'ny filazana ny faharoa hoe vaovao; ary izay hoe tranainy sy efa antitra dia efa madiva ho levona mihitsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0926