Bokin'Izaia

Toko voalohany

1 Fahitan'Izaia, zanak'i Amosa, momba an'i Jodà sy Jerosalema, izay hitany tamin'ny andron'i Oziasa, Joatama, Akaza ary Ezekiasa, mpanjakan'i Jodà.

2 Mihainoa, ry lanitra, ary hianao ry tany, mitongilàna sofina, fa miteny Iaveh: Efa namelon-jaza aho, ary efa nanabe ireny, kanjo izy ireo niodina tamiko.

3 Ny omby mahalala ny tompony; ary ny ampondra, ny fihinanam-bilon'ny tompony; fa Israely kosa tsy manam-pahalalana, ny vahoakako tsy mba manan-tsaina.

4 Adray! ry ilay firenena mpanota, vahoaka mavesa-keloka, tarana-dratsy, zana-meloka! Nandao an'ny Tompo izy ireo, naniratsira an'Ilay Masin'Israely, nihataka nihemotra.

5 Aiza indray no hasiana aminareo, raha mitohy ny fiodinanareo? ny loha manontolo marary, ary ny fo manontolo mavozovozo.

6 Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha, tsy misy salama na dia kely aza, ao aminy: Tsy misy afa-tsy ratra, dian-kapoka, fery mangirifiry, tsy voasasa, na voabandy, na voalemin-diloilo akory.

7 Ny taninareo, lao; ny tanànanareo levon'ny afo. Ny taninareo levonin'ny hafa eo imasonareo; hoatra ny fandravan'ny olon-kafa firenena no fahasimbany.

8 Ary ny zanakavavin'i Siona dia tafajanona toy ny trano bongo anaty tanim-boaloboka, toy ny tranotomboka, anaty tanim-boatango, toy ny tilikambo fiambenana.

9 Raha tsy namelan'ny Tompon'ny tafika ambiny kely sisa isika, dia ho sahala amin'i Sodoma, hanahaka an'i Gomora.

10 Mihainoa ny tenin'ny Tompo, ry mpitsaran'i Sodoma; mitongilàna sofina amin'ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora.

11 Mampaninona ahy izay habetsahan'ny soronareo? hoy Iaveh. Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana aho, mbamin'ny saboran-janak'omby. Tsy sitrako ny ran'ombalahy, mbamin'ny ondry aman'osy.

12 Raha tonga hiseho eo anatrehako hianareo, zovy moa no nitady anareo, handia izay kianjako akory?

13 Atsaharo ny mitondra fanati-poana ho ahy; fahavetavetana amiko ny emboka; raha ny amin'ny voaloham-bolana, sabata, fiantsoam-piangonana, dia tsy zakako hankasitrahana ny heloka sy ny fivoriana miaraka ampahibemaso.

14 Halan'ny foko ny voaloham-bolana amam-petinareo; mavesatra amiko ireny, sasatry ny mandefitra izany aho.

15 Raha manandratra ny tànanareo hianareo, misarona maso eo anoloanareo aho; raha mampitombo ny fivavahana hianareo, tsy mihaino akory aho: Feno ra ny tànanareo.

16 Misasà hianareo, midiova hianareo, esory ny haratsian'ny asanareo, hiala eo imasoko; mitsahara tsy hanao ratsy,

17 mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.

18 Avia, hiara-mifandahatra isika; Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo, hanjary fotsy hoatra ny oram-panala; na mena hoatra ny jaky aza izy, ho tonga toy ny volon'ondry.

19 Raha manaiky amin'ny fo mazoto hianareo, dia hihinana ny zava-tsoan'ny taninareo.

20 Fa raha manohitra sy miodina kosa hianareo, dia ho levonin'ny sabatra; fa efa niteny ny vavan'ny Tompo.

21 Ahoana no nahatongavany ho janga, izy ilay tanàna mahatoky sy feno fahamarinana, izay nonenan'ny fitsarana marina; fa ankehitriny kosa ... mpamono olona no eo!

22 Ny volafotsinao zary tain-drendrika, ny divainao notapohin-drano.

23 Ny lehibenao mpikomy, sy naman'ny mpangalatra; sady tia fanatitra no fatra-pitady tambitamby avokoa; ny kamboty tsy omeny rariny; ary ny adin'ny mpitondratena, tsy tonga eo anatrehany.

24 Ka noho izany - Teny ton'ny Tompo, Iaveh'ny tafika, ilay Maherin'Israely: - Edrey! hiala fo amin'ny mpandrafy ahy aho, sy hamaly an'ireo fahavaloko.

25 Haninjitra ny tànako aminao aho, ka ny tain-drendrikao hoempoiko toy ny amin'ny sirahazo, ary ny potipoti-pirakao rehetra ho esoriko.

26 Hametrahako mpitsara toy ny tany aloha hianao, mbamin'ny mpanolo-tsaina toy ny tamin'ny andro voalohany. Rahefa izany dia hantsoina hoe tanànan'ny fahamarinana, tanàna mahatoky hianao.

27 Havotana amin'ny hitsiny Siona, ary amin'ny rariny, izay hibebaka ao.

28 Fa ny mpikomy amam-panota kosa, indray torotoroina avokoa; ary izay mahafoy an'ny Tompo, dia ho faty.

29 Fa ho menatra ny terebinta nankamaminareo ary ho menatra ny zaridaina izay nahafinaritra anareo hianareo.

30 Satria ho tahaka ny terebinta nalazo ravina hianareo, ary tahaka ny zaridaina tsy misy rano.

31 Ary ny olo-mahery ho tahaka ny rano, ary ny asany ho kilalaon'afo. Ka hiara-mirehitra izy roa tonta, sady tsy hisy olona hamono ny afo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0488