Bokin'Izaia

Toko faha-10

1 Loza ho an'izay mamoaka fitsarana tsy marina, sy ho an'ny mpanoratra manoratra fanamelohana tsy ara-drariny.

2 Mampanalavitra ny tribonaly ny osa sy manendaka ny rariny amin'izay ory eo amin'ny vahoakako; ny mpitondratena ataony firemby; ary ny kamboty fambabony!

3 Hanao ahoana re hianareo, amin'ny andro famangiana, sy amin'ny loza amin'antambo ho tonga avy lavitra? Any amin'iza no handosiranareo, hamonjy anareo, ary aiza no hanaovanareo ny harenanareo?

4 Hany sisa hatao dia milefitra eo amin'ny babo, na lavo eo amin'ny maty. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tànany.

5 Loza ho an'i Asora, tsorakazon'ny fahatezerako! fiasan'ny havinirako ny tehina eny an-tànany!

6 Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana, omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra ahy, dia handroba sy hamabo azy, ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dàlambe.

7 Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin'ny fony; fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.

8 Hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ny andriandahiko?

9 Tsy toa an'i Karkemisa va no nahazo an'i Kalnao, tsy toa an'i Arfada va no nahazo an'i Hamata? ary tsy toa an'i Damasa va no nahazo an'i Samaria?

10 Toy ny nanakaran'ny tànako an'ireo fanjakan'ny andriamanitra tsy mahomby, izay mahery noho ny an'i Jerosalema sy Samaria toy ny efa nataoko tamin'i Samaria sy ireo andriamaniny,

11 moa tsy toy izany koa va no hataoko amin'i Jerosalema sy ny sary sampiny?

12 Nefa izao no hitranga raha avy izay hahatanterahan'ny Tompo ny asany manontolo, amin'ny tendrombohitra Siona sy amin'i Jerosalema, dia hosavako ny vokatry ny fo be anjonanjon'ny mpanjakan'i Asiria, sy ny reharehan'ny masony miandranandrana.

13 Satria izy nanao hoe: Ny nahefako izany dia noho ny herin'ny tànako, sy noho ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho! Ny faritanin'ny firenena, nafindrako, ny hareny nobaboiko, ary ireo nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany dia nanongana azy aho toy ny lehilahy mahery fo.

14 Toy ny fisambotra akany no nisamboran'ny tanako ny haren'ny firenena, ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra, ka tsy nisy nikopak'elatra, na nisoka-bava na mba nikiaka akory!

15 Mirehareha amin'ny tànana mampandihy azy va ny famaky, miavonavona amin'izay mampandeha azy va ny tsofa? Sa hoe: ny tsorakazo indray va no manetsika izay manainga azy; sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo!

16 Noho izany, ny Tompo, Iavehn'ny tafika, haniraka faharerahana hamely ny mpiadiny matanjaka; ary eo ambanin'ny voninahiny, hisy afo mirehitra toy ny afo amin'ny hain-trano.

17 Ny fahazavan'Israely no ho afo; ary ny Masiny no ho lelafo, handoro sy handevona, indray andro monja, ny tsilo sy ny heriny.

18 Ka ny voninahitry ny ala amam-boly hazo mamoa ho foanany hatramin'ny fanahy ka hatramin'ny vatana; hanahaka ny marary matin'ny singotr'aty izany.

19 Ho azo isaina ny hazo sisa any an'alany; zaza iray dia hahalatsaka an-tsoratra azy.

20 Ary izao no hiseho amin'izany andro izany: Ny sisa amin'Israely ary izay afaka tsy lany amin'ny taranak'i Jakoba, dia hitsahatra tsy hiankina amin'izay namely azy intsony, fa hiankina amin'ny Tompo izy ireo amin'ny Masin'Israely, tsy hivadika aminy.

21 Misy sisa hiverina, dia sisa amin'i Jakoba, ho amin'ny Andriamanitra mahery.

22 Satria na dia hoatra ny fasika amin'ny ranomasina aza ny vahoakanao, ry Israely, dia izay sisa eo ihany no hiverina; ka efa raikitra ny fandringanana hampisafoaka ny fahamarinana,

23 fa ny fandringanana efa naraikiny dia hotanterahin'ny Tompo, Iavehn'ny tafika, amin'ny tany rehetra.

24 Izany no hilazan'ny Tompo, Iavehn'ny tafika hoe: Aza matahotra na inona na inona avy amin'i Asora, ry vahoakako monina any Siona, raha mamely anao amin'ny tsorakazo izy, ka manainga ny tehina aminao, toy i Ejipta taloha.

25 Fa rahefa afaka kely foana, dia hitsahatra ny hatezerako, ary hifotitra aminy, handringana azy, ny fahavinirako.

26 Hanainga kotopia hamelezana azy Iavehn'ny tafika, toy ny namelezany an'i Madiana, teo amin'ny vatolampin'i Oreba, ary toy ny tehiny teny ambony ranomasina; ary hoaingainy izany toy ny taloha tany Ejipta.

27 Ka izao no hiseho amin'izany andro izany: Ny entan'i Asora hesorina eo an-tsorokao; ary ny jiogany eo amin'ny vozonao, ka ny tanjakao no hahavaky ny jioga.

28 Iny izy tonga ao Ajata, efa mamaky an'i Magrona, mametraka ny entany ao Makmasy.

29 Nihoatra ny hadilanana izy ireo, nitoby tao Gabà tamin'ny alina; raiki-tahotra mafy Ramà, vaky nandositra Gabaan'i Saola.

30 Manaova antso mafy fitarainana, ry zanakavavin'i Gallima! mampandria sofina, ry Laisa! Indrisy, ry Anatota mahantra!

31 Miparitaka Medmenà, lasa nandositra ny mponina ao Gabima,

32 Indray andro sisa, dia any Nobe izy; hanainga tànana hamely ny tendrombohitry ny zanakavavin'i Siona izy, hamely ny havoan'i Jerosalema!...

33 Indro ny Tompo, Iavehn'ny tafika, mikapa ny sampan-kazo, ataony mikotrokotroka; ny avo indrindra, voakapa; ny lasa ambony indrindra voazera amin'ny tany.

34 Ny ala milobolobo voakapa amin'ny vy; ary lavo i Libana alamaky ny Mahefa anankiray.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0458