Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 11
Ny mpanjaka ho avy: ny tenany - Ny soa avy amin'ny fitondrany - Fanangonana an'Israely indray.

       1Misy rantsana hipoitra amin'ny fototr'i Jese,
ary misy solofo haniry avy amin'ny fakany.
       2Hitoetra eo aminy ny fanahin'ny Tompo,
dia ny fanahin'ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina,
fanahin'ny fifidianana amam-paherezana,
fanahin'ny fahalalana amam-pahatahorana an'ny Tompo.
       3Ny fahatahorana an'ny Tompo no fototry ny fahafinaretany.
Tsy hitsara araka izay miseho amin'ny masony izy,
na hanapaka araka izay ren'ny sofiny.
       4Ny madinika hotsarainy ara-drariny,
ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina.
Hikapoka ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany izy,
ary hamono ny ratsy fanahy amin'ny fofon'ain'ny molony.
       5Fahamarinana no hisikinan'ny valahany
ary fatra-po mahatoky no ho fehin-kibony.
       6Ny amboadia hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry,
ny pantera hiara-mandry amin'ny zanak'osy;
ny zanak'omby sy ny liona aman'omby mifahy, hiray toerana,
ka zaza no hiroaka azy.
       7Ny ombivavy sy ny orsa handeha ho amin'ny tanim-bilona iray,
ny zanak'ireo, hiray trano fandriana;
ary ny liona hihinam-bilona hoatry ny omby.
       8Ny zaza minono hilalao eo amin'ny lavaky ny menarana;
ary ny zaza vao misara-nono hanao ny tànany
ao an-davaky ny baziliky.
       9Tsy hisy hampidi-doza na handrava,
eran'ny tendrombohitra masina,
satria ny tany ho feno fahalalana an'ny Tompo,
toy ny fanambanin'ny ranomasina, feno ny rano manarona azy.
       10Izao no hiseho amin'izany andro izany: Ny solofon'i Jese
voatsangana ho fanevan'ny vahoaka samihafa,
dia hotadiavin'ny firenena,
ary ho be voninahitra ny fonenany.
       11Ary izao no hitranga amin'izany andro izany: Ny Tompo
haninjitra ny tànany fanindroany,
hanavotra ny sisa amin'ny vahoakany,
izay sisa mbola ho hita any Asiria sy Ejipta,
sy Patraosy, Etiopia, Elama, Senaara,
Hamata sy ireo nosy amin'ny ranomasina.
       12Ary izy hanangam-paneva ho an'ny firenena,
hamory ny voasesi-tany amin'Israely;
hanangona ny tafaely amin'i Jodà,
avy any amin'ny vazan-tany efatra.
       13Ny fialonan'i Efraima ho foana;
ny fandrafian'i Jodà hitsahatra;
Efraima tsy hialona an'i Jodà intsony;
ary Jodà tsy handrafy an'i Efraima intsony.
       14Hanidina amin'ny soroky ny Filistina any andrefana izy,
ary hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana;
Edoma sy Moaba hasiany amin'ny tanany;
ary ny taranak'i Amona, hanoa azy ireo.
       15Iaveh hanao anatema ny sakeli-dranomasin'i Ejipta,
sy hanainga ny tanany hamely ny Ony amin'ny herin'ny rivony,
dia hikapoka azy sy hampisaraka azy hisampana fito,
ka ataony azo aleha tsy ialan-kapa eo.
       16Dia hisy làlana halehan'ny vahoakany sisa,
izay sisa mbola ho hita any amin'ny tany Asiriana,
toy ny nisy halehan'Israely,
tamin'ny andro niakarany avy any amin'ny tany Ejipta. >