Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 11, 1-10.
Ny mpanjaka ho avy: ny tenany - Ny soa avy amin'ny fitondrany - Fanangonana an'Israely indray.

       1Misy rantsana hipoitra amin'ny fototr'i Jese,
ary misy solofo haniry avy amin'ny fakany.
       2Hitoetra eo aminy ny fanahin'ny Tompo,
dia ny fanahin'ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina,
fanahin'ny fifidianana amam-paherezana,
fanahin'ny fahalalana amam-pahatahorana an'ny Tompo.
       3Ny fahatahorana an'ny Tompo no fototry ny fahafinaretany.
Tsy hitsara araka izay miseho amin'ny masony izy,
na hanapaka araka izay ren'ny sofiny.
       4Ny madinika hotsarainy ara-drariny,
ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina.
Hikapoka ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany izy,
ary hamono ny ratsy fanahy amin'ny fofon'ain'ny molony.
       5Fahamarinana no hisikinan'ny valahany
ary fatra-po mahatoky no ho fehin-kibony.
       6Ny amboadia hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry,
ny pantera hiara-mandry amin'ny zanak'osy;
ny zanak'omby sy ny liona aman'omby mifahy, hiray toerana,
ka zaza no hiroaka azy.
       7Ny ombivavy sy ny orsa handeha ho amin'ny tanim-bilona iray,
ny zanak'ireo, hiray trano fandriana;
ary ny liona hihinam-bilona hoatry ny omby.
       8Ny zaza minono hilalao eo amin'ny lavaky ny menarana;
ary ny zaza vao misara-nono hanao ny tànany
ao an-davaky ny baziliky.
       9Tsy hisy hampidi-doza na handrava,
eran'ny tendrombohitra masina,
satria ny tany ho feno fahalalana an'ny Tompo,
toy ny fanambanin'ny ranomasina, feno ny rano manarona azy.
       10Izao no hiseho amin'izany andro izany: Ny solofon'i Jese
voatsangana ho fanevan'ny vahoaka samihafa,
dia hotadiavin'ny firenena,
ary ho be voninahitra ny fonenany. >