Bokin'Izaia

Toko faha-12

2 Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia Iaveh, Iaveh, izy no famonjena ahy teo.

3 Hanovo rano an-kafaliana hianareo amin'ny loharanom-pamonjena, ary izao no holazainareo amin'izany andro izany:

4 MiderĂ  an'ny Tompo, miantsoa ny anarany; torio amin'ny firenena ny asany lehibe, ataovy antso avo, fa tafasandratra ny anarany.

5 MihirĂ  ho an'ny Tompo fa nanao zava-mahagaga izy; ka aoka ho fantatra any amin'ny tany rehetra izany!

6 Miantsoa mafy, manaova firavoravoana, ry vehivavy mponina any Siona, fa lehibe eo afovoanao, Ilay Masin'Israely!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1225