Bokin'Izaia

Toko faha-15

1 Faminaniana ny amin'i Moaba. Marina tokoa fa ny alina nandrobana azy, dia fongotra Ara-Moaba. Ny alina nandrobana azy, Kira-Moaba dia fongotra.

2 Miakatra ho any an-tempolin'i Kamaosy sy any Dibona ny olona, eny amin'ny fitoerana avo mba higogogogo; migogogogo ny amin'i Nebao sy Medeba, i Moaba. Ny loha mibory avokoa; ny somotra voaharatra daholo.

3 Eny an-dàlambe izy ireo mitafy lasaka; eny ambony tafon-trano sy eny an-kianja izy, minaonaona avokoa, mijoy ranomaso daholo.

4 Mibabababa Hesebona sy Eleale; re hatrany Jahasy ny feony. Noho izany midradradradra ny mpiadin'i Moaba, mangovitra ny fanahin'izy io.

5 Ory an'i Moaba ny foko; efa mby ao Segora sahady ny mpiaro azy, efa ao Eglata-Selisiah. Eny, mitomany izy no miakatra ny fiakarana Lohita; eny amin'ny làlan'i Horonaima, manao antsom-pahoriana ny olona.

6 Satria ritra ny ranon'i Nimrima, maina ny ahitra, fongana ny ahi-maitso, tsy misy intsony izay zava-maitso.

7 Izay zavatra mba azony noraisina sy izay fitaovany, dia nentiny any an-dafin'ny lohasahan-driaky ny Hazomalahelo.

8 Fa efa re eran'ny faritanin'i Moaba ny fitarainana, manako hatrany Eglaima ny finanananany, tonga hatrany Beera-Elima ny finanananany.

9 Satria feno ra ny ranon'i Dimona. Fa hampihavy tombon-doza amin'i Dimona aho, hampihavy liona ho amin'izay sisan'i Moaba, dia amin'izay tavela eo amin'ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0981