Bokin'Izaia

Toko faha-18

1 Eh, ry tany izay andrenesana ny fisasasasan'ny elatra, any an-dafin'ny onin'i Kosa!

2 Izay mandefa iraka eny ambony ranomasina, amin'ny lakan-jozoro ambonin'ny vohon-drano! Mandehana hianareo iraka faingam-pandeha, mankany amin'ny firenena lava ranjanana sady malambolambo ny hodiny, any amin'ny vahoaka atahorana any lavitra any; firenena manao jadon'ny mpanjaka sy manorotoro, izay vakivakin'ny ony ny taniny.

3 Ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao, ry mponina ambonin'ny tany! mijere hianareo, rahefa voatsangana eny an-tendrombohitra ny faneva, mihainoa hianareo rahefa maneno ny trompetra.

4 Fa izao no nolazain'ny Tompo tamiko: Hisonanina ato amin'ny fonenako aho, dia hijery, toy ny hafanana malefaka raha mamirapiratra ny masoandro, toy ny ranon'ando amin'ny hafanam-pararano.

5 Fa alohan'ny fijinjana, rahefa tapitra ny famoniana, ka efa tonga sampaho efa ho masaka ny voniny, dia hotapahiny amin'ny antsy, ny rantsany, hesoriny ny sampany dia hotangosany.

6 Izy rehetra indray hatolotra ho an'ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an'ny biby ambonin'ny tany; ny vorona mpihaza hihinana azy amin'ny fahavaratra; ary ny biby ambonin'ny tany koa amin'ny ririnina.

7 Amin'izany andro izany, hisy fanatitra haterina amin'ny Tompon'ny tafika, avy amin'ny vahoaka lava ranjanana sady malambolambo ny hodiny, amin'ny vahoaka atahorana any lavitra any, firenena manao jadona sady manorotoro, ary vakivakin'ny ony ny taniny, ho ao amin'ny fonenan'ny anaran'ny Tompon'ny tafika, any an-tendrombohitra Siona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0565