Bokin'Izaia

Toko faha-19

1 Faminaniana ny amin'i Ejipta. Indro Iaveh, mitaingin-drahona maivana miditra any Ejipta. Ka ny sampin'i Ejipta, mangovitra eo anatrehany, ary ny fon'i Ejipta mihonaka ao anatiny.

2 Hamporisika an'i Ejipta hamely an'i Ejipta aho, ka hiady izy ireo, ny rahalahy amin'ny rahalahy, ary ny sakaiza amin'ny sakaiza, ny tanàna amin'ny tanàna, ary ny fanjakana amin'ny fanjakana.

3 Ny fanahin'i Ejipta ho foana ao anatiny; ary ny fisainany hataoko very; hanontaniany ny mpimasy amam-panao fankatoavana, mbamin'ny mpamoha angatra amam-pisikidy.

4 Hatolotro ho an-tanan'ny tompo lozabe i Ejipta ary mpanjaka mahatahotra no hizaka azy, - teny ton'ny Tompo'ny tafika.

5 Ny rano amin'ny ranomasina ho ritra; ny ony ho tankina sy ho maina;

6 Ny renirano hanjary maimbo, ny lahin-dranon'i Ejipta hihena dia ho maina; ny zozoro amam-bolotara halazo.

7 Ny tanim-bilona manaraka an'i Nila ao amoron'i Nila, ny saha voafafy rehetra manaraka an'i Nila; ho maina hanjary foana, ary tsy hisy intsony.

8 Ny mpaka hazandrano hisentosento sy higogogogo, dia ny mpamintana rehetra, eo an'ony; ny mpandatsaka harato eo ambonin'ny rano hivarahontsana.

9 Ry zareo miasa ny rongony madinika voaraotra, sy ry zareo manenona ny landihazo, hiraviravy tànana.

10 Ireo andrin'i Ejipta ho torotoro, ary ny manao taozavatra ho rera-po avokoa.

11 Ny mpanapaka an'i Tanisy adala foana; ny an'ireo hendry amin'ny mpanolo-tsain'i Faraona dia hadalana no toroheviny. Ahoana no ahasahianareo milaza amin'i Faraona hoe: Zanak'olon-kendry aho, tanarak'andriana fahagola aho?

12 Aiza moa izay olon-kendrinao? ka aoka hambarany aminao ary aoka hovinaniny izay nodidian'ny Tompon'ny tafika hanjo an'i Ejipta!

13 Ny mpanapaka an'i Tanisy efa very saina; ny mpanapaka an'i Memfisy efa voafitaka, ny tenan'izy ireo, vato fehizoron'ny karazam-pokon'i Ejipta no nandrebireby azy.

14 Norotsahan'ny Tompo fanahy mampandraingiraingy izy, ka ataony mandraingiraingy i Ejipta amin'ny ataony rehetra, mova tsy ny olona mamo mandraingiraingy eo am-pandoavany!

15 Ary tsy misy asa hahasoa an'i Ejipta, amin'izay rehetra mety ho vitan'ny loha na ny rambo, ny antrendry na ny zozoro.

16 Amin'izany andro izany Ejipta, hanahaka ny vehivavy; ho tora-kovitra sy ho raiki-tahotra, mahita an'ny Tompon'ny tafika manainga tànana, izay aingainy hamelezana azy.

17 Ary ny tanin'i Jodà , hahatahotra mafy an'i Ejipta; hangovitra izy, isaky ny misy olona hampahatsiaro azy izany anarana izany noho ny didin'ny Tompon'ny tafika, izay navoakany hamelezany azy.

18 Amin'izany andro izany hisy tanàna dimy, any amin'ny tany Ejipta, izay hiteny amin'ny fiteny Kanaana sy hianiana hanompo an'ny Tompon'ny tafika; ny iray amin'ireo atao hoe Tanàna-Masoandro.

19 Amin'izany andro izany hisy otely ho an'ny Tompo, eo afovoan'ny tany Ejipta. Ary eo amin'ny sisin-taniny, hisy tsangam-bato ho an'ny Tompo.

20 Ary ho famantarana ho an'ny Tompon'ny tafika izany, sy ho vavolombelona eo amin'ny tany Ejipta; ka rehefa hitaraina amin'ny Tompo izy ireo, noho ny mpampahory azy, dia haniraka mpamonjy izy, sy mpiaro mahery hanafaka azy.

21 Hanao izay hahafantaran'i Ejipta azy Iaveh, ka hahalala an'ny Tompo i Ejipta amin'izany andro izany, hanao sorona amam-panatitra izy ireo, hivoady amin'ny Tompo sy hanefa izany.

22 Hikapoka an'i Ejipta Iaveh, sady hikapoka no hanasitrana! Hibebaka amin'ny Tompo izy ireo, ka hety hionona amin'ny fifonany izy, dia hanasitrana azy.

23 Amin'izany andro izany hisy làlana avy any Ejipta mankany Asiria; ka ny Asiriana ho tonga ao Ejipta, ny Ejipsiana ho any Asiria, dia hanompo an'ny Tompo i Ejipta miaraka amin'i Asora. -

24 Amin'izany andro izany Israely hikambana amin'i Ejipta sy Asiria, izy no ho fahatelony, mba ho fitahiana eo amin'ny tany.

25 Hitahy azy ireo Iavehn'ny tafika hanao hoe: Hotahina anie i Ejipta, vahoakako, sy Asora, asan'ny tànako, ary Israely lovako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0737