Bokin'Izaia
Izaia toko 2, 1-5.
Jerosalema ho foiben'ny firenena - Haetry amin'ny andron'ny fitsarana ny mpiavonavona.
1Ny teny hitan'Izaia, zanak'i Amosa momba an'i Jodà sy Jerosalema.
2Izao no ho tonga any amin'ny andro farany;
ny tendrombohitry ny tranon'ny Tompo,
hatao eo an-tampon'ny tendrombohitra;
sy hasandratra ho eo ambonin'ny havoana.
Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy,
3ary firenena maro no ho avy sy hilaza hoe:
Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny Tompo,
any an-tranon'ny Andriamanitr'i Jakoba;
hampianatra antsika ny làlany izy,
ary hizotra amin'ny làlany isika.
Fa avy any Siona no hivoahan'ny lalàna,
ary avy any Jerosalema no hivoahan'ny tenin'ny Tompo.
4Ho mpanelanelana amin'ny vahoaka izy,
ary ho mpitsara ny firenena maro.
Ny sabany hotefeny ho lela fangadin'omby,
ary ny lefony ho antsy fijinjana.
Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa,
ary tsy hianatra ady intsony ny olona
5Avia, ry taranak'i Jakoba,
ka aoka handeha amin'ny fahazavan'ny Tompo isika. >