Bokin'Izaia

Toko faha-22

1 Faminaniana ny amin'i Lohasahan'ny fahitana. Maninona ity hianao, no miakatra ambony tafon-trano avokoa,

2 Ry tanàna be horakoraka sy feno tabataba, ry vohitra miravoravo? Ny maty eo aminao tsy mba matin-tsabatra, na lavo an'ady.

3 Ny lehibenao indray nandositra avokoa, voasambotra tsy amin-tsipika; ny vahoakanao indray azo avokoa, teny am-pandosirana any lavitra any.

4 Koa niteny aho nanao hoe: Mihodina tsy hijery ahy, aoka hitomany mafy aho! Aza maimay hampionona ahy, noho ny fandringanana ny zanakavavin'ny vahoakako.

5 Fa andron'ny tabataba, fanosihosena, fahaverezan-kevitra ity, ka nalefan'ny Tompo, Iavehn'ny tafika, ho any amin'ny Lohasahan'ny fahitana; ravàna ny manda, misy dradradradra re eny an-tendrombohitra eny.

6 Elama mandray ny tranon-jana-tsipìka, tamy izy mitondra kalesy amam-pitaingin-tsoavaly; ary Kira nanala fono ny ampingany.

7 Feno kalesy ny lohasahanao tsara indrindra; ary mitana fitoerana eo am-bavahadinao, ny mpitaingin-tsoavaly.

8 Nalana tamin'i Jodà ny fisalobonany. Amin'izany andro izany dia manopy maso hianao, mankany amin'ny fitahirizam-piadiana ao an-dapan'ny ala,

9 ary ny banga amin'ny tanànan'i Davida, hitanareo fa betsaka. Novorinareo ny rano amin'ny kamory ambany,

10 nisainareo ny trano ao Jerosalema ary noravanareo ny trano hanamboarana ny manda.

11 Nanao fitahirizan-drano eo anelanelan'ny manda roa hianareo, halehan'ny rano avy amin'ny kamory tranainy. Kanefa Ilay nanao izany tsy nojerenao akory, Ilay nanomana izany hatry ny ela tsy hitanareo akory.

12 Ny Tompo Iavehn'ny tafika, niantso anareo, tamin'izany andro izany, hitomany sy higogogogo, hibory loha sy hisikina lasaka.

13 Kanjo fety amam-piravoravoana no hita; manominda omby ny olona, mamono ondry, mivoky hena sy misotro divay, manao hoe: Aoka hihinana sy hisotro isika, fa ho faty ihany rahampitso.

14 Izao no nambaran'ny Tompon'ny tafika tamiko: Tsy havela izany helokareo izany, mandra-pahafatinareo, hoy ny Tompo Iavehn'ny tafika.

15 Izao no nolazain'ny Tompo, Iavehn'ny tafika: Mandehana manatona an'io mpitandrina io, dia Sobnà, lehiben'ny ao an-dapa, ka lazao aminy hoe:

16 Ary inon'ny atý sy inonao no atý, no mihady fasana eto hianao; mihady fasana ho anao eny amin'ny toerana avo hianao; mandoaka fonenana ho anao amin'ny vatolampy hianao?

17 Indro Iaveh hanipy anao amin'ny sandry mahery;

18 hanasangodina anao, hanakodiadia anao mafy, hikodiavanao hoatry ny baolina, eny amin'ny tany lemaka midadasika be. Dia ho faty any hianao, ho any koa ny kalesy kantonao, ry ilay henatry ny ankohonan'ny tompony ity.

19 Horoahiko hiala eo amin'ny fitoeranao hianao, haongan'ny Tompo amin'ny raharahanao hianao.

20 Ary iza no hitranga amin'izany andro izany: Hiantso ny mpanompoko aho, dia Eliasima zanak'i Helkiasa,

21 ka hampiakanjoiko azy ny akanjo vitinao, hampanaoviko azy ny samboadinao; hapetrako eo am-pelatanany ny fahefanao; dia ho tonga ray izy amin'ny mponina ao Jerosalema, sy amin'ny taranak'i Joda.

22 Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin'ny tranon'i Davida, ka hamoha izy, tsy hisy handrindrina; handrindrina izy, tsy hisy hamoha.

23 Hatsatoko toy ny fantsika amin'ny fitoerana mafy izy, ka hanjary sezam-boninahitra ho an'ny ankohonan-drainy.

24 Hahantona aminy avokoa ny voninahitra rehetra amin'ny fianakavian-drainy, dia ny zanaka aman-jafy, ny fanaka madinika rehetra, hatramin'ny kopy ka hatramin'ny sinibe.

25 Amin'izany andro izany - teny ton'ny Tompon'ny tafika, - hotsoahana ilay fantsika natsatoka amin'ny fitoerana mafy; hombotana izy ka hianjera, dia ho levona ny entana nahantona taminy; fa efa niteny Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1441