Bokin'Izaia
Izaia toko 22, 19-23
<19Horoahiko hiala eo amin'ny fitoeranao hianao,
haongan'ny Tompo amin'ny raharahanao hianao.
20Ary iza no hitranga amin'izany andro izany:
Hiantso ny mpanompoko aho, dia Eliasima zanak'i Helkiasa,
21ka hampiakanjoiko azy ny akanjo vitinao,
hampanaoviko azy ny samboadinao;
hapetrako eo am-pelatanany ny fahefanao;
dia ho tonga ray izy amin'ny mponina ao Jerosalema,
sy amin'ny taranak'i Joda.
22Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin'ny tranon'i Davida,
ka hamoha izy, tsy hisy handrindrina;
handrindrina izy, tsy hisy hamoha.
23Hatsatoko toy ny fantsika amin'ny fitoerana mafy izy,
ka hanjary sezam-boninahitra ho an'ny ankohonan-drainy. >