Bokin'Izaia

Toko faha-23

1 Faminaniana ny amin'i Tira. Migogogogo, ry sambon'i Tarsisa, fa rava izy! Tsy misy trano intsony, tsy misy hidirana intsony! Avy any amin'ny tany Setima, no nandrenesany an'izany.

2 Aoka hitanaka, hianareo mponina amoron-tsiraka, rakotry ny mpandranto avy any Sidona, izay mitety ranomasina.

3 Mamakivaky ny ranobe ny vary avy any Nila, ny vokatry ny ony, niditra ho hareny, tsenan'ny firenena izy.

4 Aoka ho safotry ny henatra hianao, ry Sidona, fa efa niteny ny ranomasina, ny trano mimanda eo amin'ny ranomasina, nanao hoe: Tsy mba nihetsi-jaza aho na niteraka, tsy mba namelona zatovo aho, na nitaiza virjiny.

5 Rahefa handre izany vaovao izany Ejipta dia ho raiki-tahotra mandre ny naharavan'i Tira.

6 Mita ho any Tarsisa hianareo, ka migogogogoa, ry mponina amoron-tsiraka!

7 Ity va no renivohitrareo falifaly, izay efa hatramin'ny andro fahagola ny fiandohany, sy izay nentin'ny tongony lasa lavitra hitoetra any.

8 Iza no nandidy izany, hamelezana an'i Tira izay nanome satro-boninahitra; ary ny mpandrantony dia andriandahy, ary ny mpivarotra avy aminy olo-malaza amin'ny tany?

9 Iavehn'ny tafika no nandidy izany mba hanamatroka ny voninahitr'izay rehetra mamirapiratra, mba hanetry ny olo-malaza rehetra amin'ny tany.

10 Mieleza amin'ny taninao, tahaka an'i Nila, ry zazakavavin'i Tarsisa, fa tsy manam-pehin-kibo intsony hianao.

11 Iaveh efa naninjitra ny tànany amin'ny ranomasina, nampihorohoro ny fanjakana; nanao didy hamelezany an'i Kanaana, dia ny handravana ny tanànany mimanda.

12 Ary hoy izy: Tsy hanao fifaliana intsony hianao, ry virjiny afa-baraka, zanakavavin'i Sidona! Mitsangàna, mità ho any Setima; na any aza anefa, tsy hisy fitsaharana ho anao.

13 Jereo ny tanin'ny Kaldeana, firenena mbola tsy nisy, izay nanolotra an'i Asora ho an'ny bibidia any an'efitra; nanangana ny tilikambony izy, nandrava ny lapany, nataony korontan-javatra miavovona sisa teo!

14 Migogogogoa, ry Tarsisa, fa rava ny tanàna mimanda.

15 Amin'izany Tira dia hohadinoina fitopolo taona, araka ny halavan'ny andron'ny mpanjaka iray. Ary rahefa afaka fitopolo taona ny hanjo an'i Tira dia arak'ilay tononkiran'ny vehivavy janga hoe:

16 Raiso ny lokanganao, mandehana manodidina ny tanàna, ry kala janga hadino; mitendre amim-pahaizana, hamaroy ny hiranao, mba hahatsiarovan'ny olona anao.

17 Ary rahefa afaka fitopolo taona, dia izao no zavatra hitranga: Hamangy an'i Tira Iaveh, ka handray ny tambiny indray izy, dia hitolo-tena amin'ny fanjakana rehetra eto an-tany, manerana an'izao tontolo izao.

18 Ary hatokana ho an'ny Tompo ny tombom-barony sy ny tanginy, fa tsy hangonina hiavosa na hotehirizina; satria ny azony dia ho an'ireo monina eo anatrehan'ny Tompo, hohaniny sy hivokisany ary hihaingoany fatratra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.108